Tagy- Tagy

Published on 03/06,2008

 

Otran'ny misy mandondona varavarana izany ny fanenon'ilay titra Laughing

Araka ny fomban'ny mpiblaogy izay tsy hita izay maharatsy azy moa dia hiroso @ dinika impossible isika anio. Manjary cool mitokatokana sy rabat-joie raha manadino ny fitagevana nahazo. Eny ary e, sekire 7 ve moa dia mba ho aiza.  


  • Ny resolution 2007-ko dia misy hoe hianatra espanola. Teny sexy no fahitako ny espanola ka mba tiako hianarana na dia izay fotsiny ihany aza. Araka ny maha resolution azy moa dia tononina fotsiny fa tsy atao... ra misy mahay, vonona ny hampianatra moa dia efa vonona ah, ilaina ny cours de langue.
  • Rehefa matory ah @ alina dia ataoko ambany ondana ny lohako. Ny tanana moa izay maha mety azy.
  • Noho ny hoe tsy manaiky ho antitra moa dia indraindray mijery an'ireny dessins animes ireny. Anisan'ny nankafiziko ilay Ice age 2, milay be le voalavo kely anaki-2: Eddie sy Crash. Taloha Tom et Jerry fa izao otran'ny mafinaritra kokoa ilay 3D. Mampiseho ny fahaiza-manao an-tsary.
  • Tiako ny manao dihan-tongotra alavitra (> 4h), mitaingina bisikileta alavitra sy ny mihanika tendrom-bohitra sns... rehefa spaoro tsy mampiasa saina nefa ahazoana fahafaham-po e.
  • Mpanao peta-toko sy tsy matihanina no tena talentako. Zany hoe tsy dia  mieriteritra loatra fa midi-kizo. Efa eo ampanaovana foana vao mikaroka ny fomba hamitana azy tsara.
  • Tara lava ihany koa, gasy e. Zany hoe rehefa tonga aho dia tsy miandry zany fa na  tsy tonga aza ny sasany dia lasa izao. Izany hoe raha misy fotoana efa nifanarahana moa dia tsy afaka manao in in fa miandry ze ihafarany eo.
  • blind date gasy tonga dia ekeko? Francia Cool
    sa efa nisy nazaka? asa izany!

Ataoko fa mazava tsara doly ireo. Misaotra anao namaky ireo sekire saro-bidy amiko ireo. Marina doly ireo an, aza aparitaka.  Ampiako kely hoe mafinaritra ny teny gasy Wink

Toa efa tapitra notagevandry zalahy doly ny mpiblaogy rehetra ka tsy mahita tsony aho fa ireto angamba no tsy mbola nanao:

  • Dotmg:  what if... tagevako ialahy.
  • Jentl:  vavao eto an-toerana: re-tagevako ialahy.
  • lapino: rediredy fa possible ny hi-re-tagevako an'ialahy.
  • sitlo:  blaogy tsy hay tsy hay, tagevako ialahy.
  • Chryss: blaogy mampalahelo (@ filazana manjo), tagevako ialahy.
Izay aloha fa @ manaraka ny sasany. Raha misy tsara sitrapo na te ho tagevana, na fanindroany aza, aza misalasala milaza izany.


Hevitra

Leave a Reply