Resa-Poza... orana ;-)
Nareo ve tsy mahatsapa hoe misy olona manao aferafera maizina ato? aiza ve ranga ka misy olona mamorona tagy tsy fantam-piaviana tampotampoka eo. Mila manao demande officielle any @ sekretera anie e. Ny sasany moa efa lazaina hoe mba avelao ho depressif kely aho fa tiako ny tanindrazako ka eee. Na hiala aina eto aza dia tsy mba omena zo hoan'ny fara-hafatry ny maty mintsy. Ny God-father-n'ny tagy moa dia tsy omena tsiny fa miasa any @ maloka, tsy hita izay niantombohany fa efa eny @ tarehinao ny totondry tagy vao saina tonga. Ny sasany dia hita mazava hoe kolikoly, na tagy iray aza tsy nataony kanefa dia tsy tahotra tsy henatra mitagy ny vahoaka tsy manan-tsiny. Mazava ny didi-jadona. Tsy manaiky aho raha tsy misy transition eto. Greve generale manomboka rampitso.
Efa karazan'ny tagy ihany ity konfesy be-ko ity: tsy tiako ny tagy satria tsy te hamorona no sady kamo be hieritreritra zavatra tsy manawain tantaraina eto aho. Tiako ihany koa anefa ny tagy satria ny tagy no tagy dia ny tagy. Mazava rahateo fa narcisism avancE ny tanjona eto. Sady mba manome fahazotoana hitoraka, antsika tsirairay izany. Noho ny isa faran'izay kely indrindra, 25, anefa dia tsy ho vita indray mitoraka ny asa. Ka nieritreritra aho hoe aleo atao tsirairay ee. Tsy mivoana be @ tena fanoratro eto koa moa izany satria ny mamoaka ny hevitro mikasika zavatra iray no tena mibahan-toerana eto. Ny mahasamihafa ny tagy fotsiny dia tsy mijanona @ hoe fiheverana fotsiny ilay izy fa zavatra tena atao mihintsy. Asa anefa ra mety handainga ihany aho haha. Sady sazy hoan'i ikalamako sy mangamaso nitagitagy ahy koa izany ee. Isaky lahatsoratra 25 hoavy izany dia asiako tagy kely momba ahy, na dia mety ho Hors sujet ary izany indraindray... Ka ra tsy mamaky lisany dia mahazo "fessee".
Tag1: I love music
Mba hisantarantsika azy ary dia io, tia mozika be mintsy aho. Nangalariko tatsy @ ikala io ny tena marina, hitovizan-tsika io e. Tsy hoe mozika mozika @ ahoana moa fa hira no tiako tenenina e. Mitendry gitara kely ihany aho fa ilay mihaino no tena talentako. Eo ho eo @ 30Gb eo ho eo ny tahiry hirako (piraty yes, when hira vazah... and maybe gasy). Misy miverimberina aloha ary vazah ny ankamaroany fa dia mihaino mozika tsy tapaka aho mandritra ny andro. Rehefa any ampiasana dia @ solosaina. ao @ rvg no mankafy ny hira gasy tiana nefa tsy hananana. Ny hira vazah indray ao @ deezer no fihainoko ra misy ao, rapida kokoa noho ny youtube manko. Rehefa any antrano dia klasika/jazz no henoiko @ radio na ibema. Tsy dia hoe gay loatra aloha @ ilay hoe klassika fa mba hoe ra lasa mpanakarena aho indray andro any, dia aleo tonga dia mivonona mitia mozika "hafahafa". Rehefa any @ dosy, za no mihira 8) Ny hira tiako be @ izao: Apologize - One Republic... henoy fa mety ho hankafizinao ;-)
Naika tapitra teto ity lahatsoratra ity fa saingy hoe, effet jentlisa ihany moa izay voalaza rehetra izay fa resa-poza ny tena fototry ny lahatsoratra. Asa fa tato ho ato dia malaza mintsy ity resaka foza foza ity. @ maha-vendrana ny tena moa dia nangataka ny namana Toky mba hanome fanazavana ny momba izany koa dia averina eto izany hoan'izay tsy nahita:
-ny foza orana dia foza mipetraka anaty fotaka, izay manimba tany sy mamono trondro. "Parasite" sy "envahissante" be izy io satria. jereo ato ho an'izay te handalina.
- nisy "virus informatique" mitondra ny anarana "foza orana" koa ao Antananarivo ao. Danz be koa hono izy io. Jereo ato ny "daokimentasiô
-Foza orana koa no ilazàna ireo mpivaro-tena 4-mi ao Tsaralalàna, na toeran-kafa. (mazava ho azy fa "fanaratsiana" (pejoratif) izy ity). jereo ato
-Ary farany, "foza orana" no ilazàna (fanaratsiana hatrany) ireo olona tena sahirana izay mpanakorontana etsy amin'ny 13mai (tsy milaza aho akory hoe: foza orana daholo ny eo a. Ireo izay lazaina amin'ny fomba maontina hoe: avy any ambany tanàna.
Ataoko fa ampy angamba izay famelabelarako izay hihihi.
Misy koa moa ilay fitenin-jatovo hoe : "sipa misy foza" hihihi. Fa io indray dia ianareo no mba mikaroha raha mbola tsy hainareo :).
Tena expert tokoa lery. Aleo manotanintany foana fa sao dia mba zavatra tsara izany foza izany, tsy mahita ary tsy mahalala ny fahitan'ny olona. Dia zava-doza tokoa ve ny foza? nefa dia otran'ny matsiro o?
Oay, saika adinoko ny tena antony hitiavako ny lalao tagitagy. Izay voatagy ka nitagy dia manana zo hitagy olona mba hitagy. Sady tsy mahazo mamaly ilay voatagy. Olona 25 be zao hono no tsy maintsy tagevana, tena sahiran-tsaina indray. Aleo alefa tsikelikely ihany koa, miaraka @ ambin'ny tagy angambany izany. Ny anio aloha tagy manokana, tsy maintsy ekena. Aza malahelo izay tsy voatagy fa mbola misy 24 ambiny, ilazao aho tonga dia voaray avy hatrany.
Voatagy: Tokinao, mba azavao kely hoe ny "sipa misy foza"?
danz koa iny a :). Tsy tagy ange ny tagy raha tsy avela hitagy izay resa-tagy tiany itagevana ny mpitagy hitagy iray e!
By Tokinao on 03/07,2009, at 10:04
Raha tsy misy hono ny tagy dia tsy misy ny voatagy ary tsy misy ny manao tagy, foana koa ny manome tagy, nefa toa mba tsara ihany ilay tagy raha ity tagy ity no voavakiko fa tena MISY DIKANY ny voatantara tato androany ;)
By Kdaombaramita on 03/07,2009, at 11:31
Izay dia efa namaky simp à!
Misaotra :-).
By mangamaso on 03/07,2009, at 12:40
massossotayg e
By gita on 03/07,2009, at 13:56
mba afaka asinao famintinina v ry simplex fa lava b le izy, hihihi
By kelly13 on 03/07,2009, at 13:57
Milay kosa le sazinay sy mangamaso...Sady voky fahalalana no afaka adidy - lol
"Aleo ny narcisse hanatona ahy" fa zah tsy manana blèm. Aiza kosa ve dia hijery ny an'ny olona foana aho fa ny olona tsy mba hijery sy hahalala ny momba ahy !!! Nefa mitovy ihany ny hiafarana rehefa vita ity fiainana eto ity anie e. Ry Bush sy ry TGV sy ry Ramose sy ry Sarko sy ry Merkel sy ry "Ta jolie Sarah" ry simp efa mi-se tagguer foana à force de avo toerana, aleo koa izahay hanararaotra tagy hiresaka ny momba anay kle... Efa tsy halaza sy tsy ho mpanankarena hihaino hira classique ihany fa hiaritra trèfle @ classica fotsiny, tsy aleo ve zahay mba hamorona tagy ?
By ikalamako on 03/07,2009, at 15:33
Tsy laingalainga fa variana aho namaky ilay momba ny "foza orana" io tao amin'ilay blaogy voalaza
By Kdaombaramita on 03/07,2009, at 15:34
Toky,
hahaha
fangatahana tagy @ ilay tagevana ihany izany fa tsy voatery hitagy izay nolaizaina hotagiavana akory ilay voatagy ka.
;-)
kdom,
efa mihaantitra lesy dia manao resaka misy dikany ihany idnraindray aaa..
efa annee 90 indray nge ony ny atao hoe tanora ee ouin ouin
mangamaso,
tsy misy fisaorana
vola omena ra misy
:-P
gita,
lol
miainga be indray ny fehezan-teny misy tagy ra izao no mitohy kle ouh lala
kely terezy,
tsy mety haiko ny hoe sipa misy foza retsy ah
sao dia mba afaka manampy ndriko :)
ikalamako,
avoay i tagy fa ra tsy izany tsy hanomboka ny negociation... ary tsy maintsy transition ny resaka fa tsy misy ankoatry izay!
kdom,
ok
azonao ve ilay hoe "sipa misy foza"?
By simp on 03/07,2009, at 18:50
misy ifandraisana ve ny tagy sy ny mozika sy ny foza orana ? :-D
By cutie on 03/08,2009, at 00:40
Mbô andefaso sary mitendry gitara Apologize, ry simplex a!
By mbola velona e on 03/08,2009, at 11:25
sipa misy foza izany ve tsy raFOZAmbavy?
i raFOZAn' e
By finoanaranoray on 03/08,2009, at 11:34
razia,
ie
mazika
fantatra @ anarana hoe: effet jentlisa ;-)
mbola velona,
haha
ra mba hoe "tady vita fato-maty" ahay zao dia tonga dia vonona be za. Zao manjary sady tsisy fakan-tsary no tsisy gloom :b:b:b
jereo eto:
http://www.guitarvideotabs.com/tabs/one_republic/apologize_fullsong.htm
finoanaranoray,
kay marina zany letia eee
soa fa nisy anao
izao zany no mahatonga an'le hoe arabarabao ny mpandalo fa tsy fantatra izay ho rafozanina?
:)
By simp on 03/08,2009, at 19:09
Inona no itovizan'ny foza orana sy TGV?
By iaboba on 04/15,2009, at 12:30
HlLQZJ dgcmoxirdies, [url=http://osufsbqxezga.com/]osufsbqxezga[/url], [link=http://hxmrzkeozzjm.com/]hxmrzkeozzjm[/link], http://fqcnpxodyigb.com/
By aobqbwao on 12/25,2009, at 06:03