I Am a Woman, Hear Me!!

Published on 03/08,2009

 

Tahak'izay aho mba lelah 
picoti, picota
Dia mba nirotsaka ho soldat
picoti, picota
Rehefa tonga ny @ folo
dia efa miantso ireo voron-dolo

Maro dia maro ny mahasamihafa ny lehilahy sy ny vehivavy.  Ekeko tanteraka ny hoe mifameno tokoa isika ary tsy misy hoe ambony sy ambany izany. Eny e, azo lazaina hoe matanjaka kokoa @ ankapobeny ny lelah. Kanefa dia mino marimarina aho fa raha mizatra ary miezaka ny vehivavy dia tsy ho mena-mitaha @ lehilah. Izaho manokana dia tena ratsy toetra ary tena nieritreritra be foana hoe "je suis l'homme" , mandrapaha-tongan'izay sipakely sinoa kely izay. Sady fohy  noho izaho izy, no kely noho izaho kanefa dia tsy mety resiko mihintsy rehefa manao jogging. Sady mandeha mafy kokoa izy no mahavita toro betsaka kokoa, no maharitra kokoa. Tapitra mintsy ny aiko fa eee, aza manody ihany ity manenjikenjika ity lol.

Rehefa nandinika anefa aho, ary efa nolazaiko teto ity, fa noho ianareo miezaka hitovy zo @ lelah no mampa-hoe "fanaka malemy" anareo.  Eny e, zahay koa moa tsy hanaiky lembenana ary efa zatra manindry ka tsy maintsy kotabaisina isaky ny 8 marsa. Ekeko tanteraka, ataovy izay mety raha izany no mahasoa. Tena marina, tsy rariny ary tsy mendrika ny taon-jato faha21 izany lehilahy mamono/manambany/mandray ho toy ny fananana/manao didy jadona @ vady sy ny tokatrano tahaka izany. Tsy rariny raha hoe olona samy nanao fianarana mitovy, asa mitovy, dia ny iray mandray karama ambony kokoa, mora mahazo promotion kokoa. Mbola iainantsika izany @ izao fotoana izao ary miombona hevitra sy manohana anareo izay ianjadian'zany izahay.

Fa nde hatao hoe efa mihena ireo zavatra tsy rariny bedabe ireo, kanefa dia mbola otran'ny hoe tsy mitovy zo ihany ny lelah sy vevavy. Satria ny vehivavy koa dia manao toetra tsy zaka ary tsy iraisana @ lelah, na dia hoe tsy expres aza. Betsaka ny ohatra azo lazaina. Toy ny hoe filana mitety ny fivarotana izay tsy hividianana na in na in fa fitsidihana fotsiny ihany. Toy ny hoe tsy fitiavana baolina kitra  sns maro isan-karazany. Efa ao aminareo hatrany ankibo angamba izany. Fa ny tena tsy azoko, ary tena tsisy fanazavana lojika na aiza na aiza dia ny fitiavana hiresaka an'izao rehetra izao.

Tag2: I hate office gossips

Faran'izay tsy tiako indrindra dia ny fifosana. Ny lelah rehefa miresaka dia na izay politika, na baolina, na miresaka vevavy... izay ihany, ary ra miresaka @ vevavy izy dia efa misy zavatra tiany resahana ao izay. Ny vehivavy kosa, ra miresaka @ lelah izy dia tsy maintsy tantarainy eo doly izao zavatra rehetra tsisy idiranao izao. Ary ra hoe samy vevavy indray, voalohany indrindra aloha dia tsy maintsy mpinamana doly ny vevavy  @ voalohany fa any antenatenany any dia lasa misy mpifahavalo be avy eo. Rehefa ry zareo no miresaka dia na resaka lamody izay na resaka ny vadiny na resaka fifosana, ary io farany io no tena betsaka. Tsy maintsy misy resaka fifosana foana ny tena marina e. Ny tena loza dia tsy olana aminy mintsy ny mifosa na dia lelah aza no hiresahany eo. Dia tena mampalahelo mintsy anie ilay lehilahy lasa tafiditra eo ampovoanin'ny fosa e. Dia tsy maintsy resahina ve hoe iza no miaraka @ iza, ary iza no mangalatra ny vadin'iza? avy eo koa rehefa tafiaraka @ ilay olona voafosa iny dia izy ihany koa mbola mifosa  an'lay olona nifosa azy teo. Tsy normale ve ozy nareo raha toa ka tsy mitovy zo isika? mbo kozy ee!!

Voatagy: sipagasy, tena mietanetana be mintsy ndriko androany  
               aleo tsy mitovy zo ihany tsika o  

ps: tiako doly lisany an, sao dia misy marary fo be eo ndray   tratry ny fety eee voanay ndray lisany t@ ity an, @ herin-taona mbola misy ee sady alatsinainy @ zay 


Hevitra

Leave a Reply