Killing me softly

Published on 09/18,2010

 

Na dia tsy fotoana tokony hanoratako mihitsy aza izao noho ny zavatra tokony hokarakaraina dia tsy laitra fa nitendry ny solosaina ihany. Vao tsy ampy herinandro akory aho no nanoratra fa misy ny gazety vendrana  dia gaga dia gaga tokoa aho fa misy ny gazety na dia vendrana aza dia tsy vendrana. Namaky ny gazety Gazetiko aho androany, tsy dia tena fan club ah fa zany hoe mba @ teny malagasy izy io dia izay no hamakiako azy matetika. Akory ny hagagako androany,  nahita ity lahatsoratra mikasika ny fika fikotiana sipa ity. One thing to say: gazetiko you rock!! 

Tatitra avy @ tatitra moa ilay izy ka tsy ho averiko eto intsony fa raha fitinina dia ny hoe mora mazaka sipa kokoa raha miondana mozika somary malefadefaka. Voaporofo ara-tsiantifika izany an... Moa ka tsy izany va no fahasoavan'A/tra lehibe?

Dia mihomehy irery ah mieritreritra  ny adalana tao @ rvg... hoe  kay le  mozika malefadefaka ve ry  "Tsy hahita" sy ny karazany?  indrindra moa fa ilay hiran'i ambondrona iny...  tadidiko tsara, t@ izahay mbola tanora dia ilay hiran'i lola hoe "fa tena tia" iny no hira offisialy fikotiana sipa. Tsy dia hoe ilay hira loatra an, fa ilay tonon-kira hahaha... kanefa otran'ny tsy mahaleo an'i Bon Jovi oo?  simply romantic ony...  Aza variana na midonaka fa teto daholo ny olona no naka ee... la jeunesse, ouh la la

Tsy izany rehetra izany anefa no tena important  fa ilay volazan'ny fehezan-teny tao @ le lahatsoratra, vakiana @ anaran'i jesosy, manao hoe: "miankina amin'ny haben'ny nonon’ny vehivavy no hijanonan'ny fiara"

Fakafakao ny tian'ny mpanoratra ambara?


Hevitra

  1. 09/18,2010 | 09:18

    Saofera tia zava-boribory izany mampijanona fiara hijery sakafon-jaza izany.

  2. 09/18,2010 | 21:08

    Andeha koa aho izany mba hanisy mozika malefaka ao ambany ondana raha toa ka izany no mahasolo ody-fitia.

  3. 09/19,2010 | 01:23

    Mahafinaritra raha samy tara @ saofera doly ny sipa ka lol

  4. 09/19,2010 | 14:07

    "seeing your... things... just got me into a new dimension"

    how's that for a line?
    sexist yet irresistible, u know u like it

  5. 09/19,2010 | 21:54

    henjana ilay "parodie" eee

  6. 09/20,2010 | 08:58

    O Ra-jentl a, naharay proposition tamin'ny olona iray akaiky an'ilay mpanao politika somary toherinao io izaho hoe rehefa manoratra lahatsoratra hono ianao dia karamainy koa zaho hanoratra lahatsoratra tsy misy ifandraisany amin'ny anao mihitsy, fa ny fehezanteny voalohany dia ilay anao no averina.
    Amin'izay hono mba rehefa mamaky ny anao amin'ny Feed Reader ny olona dia hiteny hoe : "Efa voavakiko ity" ka tsy hamaky intsony, dia mba miheny ny mpamaky anao. 1000 Ar isaky ny lahatsoratra ny karama dia tsy nanaiky aho.

  7. 09/20,2010 | 21:36

    tsssssssssss
    tsy izany fa tonga @ le fitenenana hoe manaraka ny ataon'ny rola ee hihi ^:^

Leave a Reply