Killing me softly
Na dia tsy fotoana tokony hanoratako mihitsy aza izao noho ny zavatra tokony hokarakaraina dia tsy laitra fa nitendry ny solosaina ihany. Vao tsy ampy herinandro akory aho no nanoratra fa misy ny gazety vendrana dia gaga dia gaga tokoa aho fa misy ny gazety na dia vendrana aza dia tsy vendrana. Namaky ny gazety Gazetiko aho androany, tsy dia tena fan club ah fa zany hoe mba @ teny malagasy izy io dia izay no hamakiako azy matetika. Akory ny hagagako androany, nahita ity lahatsoratra mikasika ny fika fikotiana sipa ity. One thing to say: gazetiko you rock!!
Tatitra avy @ tatitra moa ilay izy ka tsy ho averiko eto intsony fa raha fitinina dia ny hoe mora mazaka sipa kokoa raha miondana mozika somary malefadefaka. Voaporofo ara-tsiantifika izany an... Moa ka tsy izany va no fahasoavan'A/tra lehibe?
Dia mihomehy irery ah mieritreritra ny adalana tao @ rvg... hoe kay le mozika malefadefaka ve ry "Tsy hahita" sy ny karazany? indrindra moa fa ilay hiran'i ambondrona iny... tadidiko tsara, t@ izahay mbola tanora dia ilay hiran'i lola hoe "fa tena tia" iny no hira offisialy fikotiana sipa. Tsy dia hoe ilay hira loatra an, fa ilay tonon-kira hahaha... kanefa otran'ny tsy mahaleo an'i Bon Jovi oo? simply romantic ony... Aza variana na midonaka fa teto daholo ny olona no naka ee... la jeunesse, ouh la la
Tsy
izany rehetra izany anefa no tena important fa ilay volazan'ny
fehezan-teny tao @ le lahatsoratra, vakiana @ anaran'i jesosy, manao
hoe: "miankina amin'ny haben'ny nonon’ny vehivavy no hijanonan'ny fiara"
Fakafakao ny tian'ny mpanoratra ambara?