Miala any, miala any
Eny e,
Tsy haiko na za somary mpiandry ora farany foana nga fa feno herin-taona tokoa izay no nidirako teto @ sehatra blaogy. Ny vokatra moa, tena maha faran'izay mahamenatra fa tena tsy nisy nivoaka aram-pomba offisialy hoe iny eny fa mba nisy zavatra nosoratan'le adala be iny tato.
Efa ela ihany ny nieritreretako ny hiblaogiavana teto fa zary fikasana ihany noho ny antony maro. Ny hakamoana aloha voalohany indrindra . Zany hoe tsy nety tena "motive" tanteraka aho na dia natao hoe maro aza ny blaogy nahaliana narahako teto e. Mazava fa rehefa ny "volonte" moa no tsy misy firy dia ahita ekskizy foana tsy hanaovana zavatra. Efa herin-taona kosa izay ngamba, ary araraotiko ity zoaie zaniversera ity mba hanaovana ny dingana lehibe, satantra ambavarano hanombohana azy. Naika nataoko hoe satantra ny lohatenin'ity lahatsoratra ity fa saingy otran'ny anarana promotion an'olona izy zay no mba mizesta refa hoe miala any miala any eeee .
Ka izao, somary mety hisy fiovana ny fomba fijery @ blaogy manomboka izao. Voalohany aloha dia tsy azomina ho efatra intsony ny isan'ny sokajy. Tena hitako fa mametra betsaka ny zavatra azo resahina ireo efatra efa eo ireo no somary manasarotra ny fanasokajiana lahatsoratra ihany koa. Izany hoe mbola tsy fantatra ny habetsahany sy ny hoe inona avy izy ireo fa alefa miandalana eo. Faharoa, tsy maintsy atao mihoatra ny isan'ny lahatsoratra t@ iny taona iny ny @ ity manaraka ity Mazava hoazy fa hisy "touche personnelle" simplex @ izany rehetra izany. Eo ampandrasana mahita ny atiny ozy.
Hamaranako azy dia hoy aho hoe: je me souhaite un joyeux anniversaire. Mes meilleures voeux a mon super blog, pleines de promesses et d'avenir...
be zesita