Conquerir le Monde!

Published on 08/19,2007

 

Minus & Cortex

Pinky: Gee, Brain, what are we going to do tonight?
Brain: The same thing we do every night, Pinky. Try to take over the world!

Misy milaza fa fitiavan-tena (egoisme), sy fisehosehoana (vanite) no toetra ratsy raiki-tapisaka tsy misaraka @ olombelona. Ahoana tokoa moa izany olona tsy tia ny tenany izany, "impossible" mihitsy izany e. Ny fisehosehoana indray raha jerena tsotra @ izao mety tsy hita mivaingana hoe tsy ao anatin'ny tsirairay io. Kanefa kosa eo @ fiainana andavan'andro, indrindra isika Malagasy, raha misy resaka na zavatra atao ka mifanandrify na koa mba efa henotsika dia matetika isika tsy maintsy hiteny, indraindray aza lasa "je sais tout" mintsy. Mazava hoazy fa io "egoisme" sy "vanite" io  mitondra @, andeha hatao hoe, "fahavoazana" hoan'ny mpiara-belona mba tsy hilazana hoe hitarika @ ratsy sy fahotana isankarazany.

Tsy haiko, ekeko fa marina hoe raha diso tafahoatra ireo dia ratsy hoan'ny fiaraha-monina na ilay olona ihany. Kanefa otran'ny tsy io no tena fototry ny olana misy @ tsika zanakolombelona hoy aho. Filozofika be ilay resaka, fa ny tena izy dia isika olombelona  biby e Cool satria efa ao anatintsika tsirairay (instincts) ao ny tsy maintsy mi-coloniser/dominer an'izay toerana misy antsika, te ho lohalaharana foana. Jereo tsara anie fa ny ankamaroan'ny gidraka mitranga @ andavan'andro  dia matetika manomboka @ io doly e...

Izany hoe tsy hoe manao toetrana biby akory isika @ zavatra rehetra misy fa @ ireo  zava-misy manampetra eto antany (ressources rares??), izay lasa manan-danja, dia tsy maintsy miady isika e. Isika  olombelona misaina  (#biby) fa noho isika misaina doly dia lasa miverina toy ny biby ihany isika, loi de la jungle no tiako tenenina. Ze mahery ihany no manjaka.

Ianao mamaky io izao dia efa mampihatra an'ilay "hanjakazaka" sahady, tsy maintsy handresy lahatra Laughing. Ny tiako lazaina fotsiny dia hoe, @ lafiny iray dia somary biby fiaina ny olombelona, ary io dessins animes "Minus & Cortex" ambony io no tena anton-draharaha hataontsika isan'andro isan'andro. Biby ianao ka hody biby indray Tongue out


Hevitra

Leave a Reply