Kitra, Nofinofy Malagasy

Published on 11/29,2007

 

Tsy vitsy, hoy aho, ny efa very fanatenana @ ity lalao baolina kitra an'ny Malagasy ity. Siora aho fa raha anaovana sondage io tena poinsa 80% isan-jaton'ny Malagasy no tsy manisy sirany izay vokatra mitranga @ lalao hifanaovan-tsika any intsony fa samy miara mionona hoe tsy haka "lesona" indray ve e Laughing

Tato ho ato anefa  toa otran'ny netinety hafahafa izany ny fandehan-javatra. Lasa tafiditra @ dingana manaraka @ fifanina @ fandraisana anjara @ "coupe du monde" ny Barea. Eny e, ny nosy lekoma moa no tena resin-tsika (mba hizestiavana kosa aloha iny e Wink) fa na izany aza otran'ny mba metimety ny tantana e. 

Indrisy anefa fa raha notosaina t@ alahady teo moa ny atsapaka hizarazarana ireo ekipa hifanandrina @ dingana manaraka @ "coupe du monde" dia tafiaraka @ Botswana sy Mozambika ary i Cote d'ivoire ny ekipam-pirenena Malagasy. Ry zareo elefanta Ivorianina moa no tena mivoaka favy @ izao, ary mamela azy ho mpandresy malalaka @ ity vondrona faha-7 misy antsika ity. Isika moa, vao Jereo Dagohaingana no nihaona t@-ndrizareo ary tena mapme mampalahelo fa toy ny fihomezantsika an'ny lekoma no namotsanandrizareo antsika na taty amintsika na tany @ taniny. 

 Izany rehetra izany no mahatonga antsika hilofika indray. Sarotra ny mandainga fa tsy mora ny handresy an'i Drogba Laughing. i DotMG moa nanokatra dinika, adihevitra iray @ filaharan'ny mpilalao izay mety andresentsika ny Ivorianina. Za aloha tsy dia mahalala loatra ny mpilalao Malagasy ka izay no tena tsy nidirako betsaka t@ le resaka. Ny naika ho lazaiko fotsiny dia hoe tsy i Drogba irery no tokony hatahorana fa ireo ekipa rehetra ireo. Ny pozipoziny manko dia otran'ny tsika no gidany @ ireo firenena ireo... A court terme izany dia tsy misy fika fa ny eo no ampiadiana e, fa ny tiako mba resahina kely dia ny momba ny a moyen/long terme. 


* Ny Mpilalao: 

Tao @ dinika ihany no nisy namana nilaza ny momba ny hoe ecole de foot, jereo eto. Mety hoe hevitr'akoho an, fa inona moa no tena olana tsy hanganantsika centre d'excellence hanofanana mpilalao baolina kitra e. Revin-gadra tsotsotra an:

- bandy kely entre 16-18 ans, efa nahazo baka ihany no raisina.

- voafetra ny toerana, kely ny budget no ratsy ny qualite ra be loatra, disons, 15 isan-taona. Tsy atao mibahana be le equilibre regional fa ze olona sady lava ranjanana no bokona, ka  mba efa mahay milalao kely no raisina. Tokony asiana interviews, refa voafantina t@ CV.

- omena bourse toy ny mpianatra eny Ankatso ireo bandy ireo, na tsy manin mintsy aza atao presalaire otran'ny an'ny Agro e, 15 ve moa handany otrin eo.

- 3 taona ny curcus

- ny syllabus:  tonga dia resaka foot ranoray. Fanaovana corner, penalty, coup franc,... miainga @ basics, mintsy hoe fianarana mipasy bolina, in no tena asan'ny defense, demi, attaquant... anaovana analizy kely, izao no tokony atao refa otr'zao ny situation (tsy koi na asiana salle misy video-projecteur mintsy aza), manao analyze ana-lalao goavana ireny.  Ny fanazaran-tena isan'andro, isan'andro, fampiharana sy fanazarana @ lesona teorika... Ny fanampiny lesona anglais sy frantsay fotsiny mba ho bagazindry zalah refa halaza izy refa hivoaka.

- mandray mpianatra isaky ny 2-taona. Manomana ny mpandimby foana izany, @ izay manana talent foana tsika.

- asiana evaluation, tsotsotra match 5 na 6 otran'ny @ eseky, afindrafindra ny toerana hilalaovan'ny mpianatra. @ zay kou ahitana hoe eto no toerana mety @ ity mpianatra ity refa tena hilalao izy. Izay no soratana any @ recommendations-ny. 

- sous contrat ny mpianatra hoe mamerim-bola ze tsy mahavita hatr@ farany, ary tsy maintsy manao adidy @ firenena izay voaantso. 

Tena resaka serieux io an, raha ohatra hoe misy mpampianatra 5 ohatra ao, miampy ny staff adminstratives 2, 1 Directeur, 1 adjoint... mety mandany mihoatra ny 300 millions par an ve?

* Ny Mpanazatra:

Sarotra ny mandainga fa tsy misy firy ny mpanazatra gasy mahavoa e. Raha misy ny hoenti-manana, tsy aleo manafatra avy any ivelany? le efa mba manana experiansa kely ireny.

Dia mba omena defi otran'ny any andafy izy hoe raha tongan'la @ CAN ireo boay kely ireo dia soniavana mandritra ny 5 taona elah... Ny antsika manko otran'ny hoe ra vao resy in-1 le entraineur dia voatsoka le tsssssssssss Cool

* Ny Mpankafy:

 Tsy azo terena ngamba ny olona hankafy foot. Fa eritrereto otran'ny vevavy ihany io hoe, refa coupe du monde otran'ny mba mijery ihany ry zareo. Izany hoe arakaraky ny mampalaza an'le izy no hahatarika olona @ ilay izy. Ny fanombohana izany dia ny fandresena misesisesy.  

Tsy atao ambanin-javatra anefa ny fanetanana ny olona. Le resaka marketing mintsy izany no tsy ampy e. Tokony atao matanjaka be toy ireny pazzapa ireny mintsy ilay izy. Atao misy emission isan'andro, interviews an'ny mpilalao. Na hoe fifaninana nationaly aza (tsy efa misy ve io?).

Manaraka, ilay maillot antsika mila fiheverana fa sady ilay loko tsy dia mampiseho ny bogosite antsika, no sady otran'ny malalaka be le izy. Ilaina ny loko mirindra maty hanina sy mba somary manendrika le ankanjo. Ra sexy nge ry zalah mety hitarika sipa hijery zany e Tongue out  Raha manam-potoana aho hijerijery design metimety kokoa apetrako eto ihany. Faharoa, tokony mamorona hira faneva kely ry zalah na otr'zany e...

Farany, tsy tokony atao lafobe ny vidim-pidirana @ voalohany fa tsy aleo ve mba feno ny stadium nefa ny vola miditra mitovy ihany, sa ahoana? Wink


 

Tsy nanao kajy mintsy aho fa raha ohatra ka mahazo budget any @ FMG 1,5 Milliards/an any ve ny resaka kitra isan-taona tsy ho ampy @ zany ozy lisany? Sady raha vao lasa esprit national ange le izy dia lasa mamokatra vola hoazy e. Mety hahazo sponsor kou ny ekipa nationaly. Resaka advert doly izany. Adidas sa Orange sa Tiko ? Cool na ny vidim-pidirana aza mety azo atao lafo mitovy @ spectale ao @ palais des sports @ zay refa be ny mpankafy. Nofinofy ve ozy nareo? Ny sarin-tanin'i Madagasikara anefa mba mitranga tsara @ le trophee an'ny coupe du monde, jereo ilay sary io.

PS: site non officielle des Barea de Madagascar: jereo eto. Interessant fa mba jereo. 


Hevitra

Leave a Reply