Ny Fitiavako Azy

Published on 02/13,2008

 

(Mba alefaso kely ilay hira hoe "what a wonderful world" rehefa eo ampamakiana ianao Wink). 

Tadiom-pitiavana... 

Mbola zaza aho dia efa nahalala azy. Tsy tsaroako tsara intsony ny nifankahalalanay voalohany fa toa fetim-pianakaviana ngamba, taom-baovao raha tsy diso aho. Ny raiko sy dadatoako moa no namporisika ahy hifandray taminy t@ izany. Tsy dia nafinaritra ahy loatra izy t@ izany kanefa moa izay no tian'ny rehetra ka dia nande tsy sazoka teny ny fiarahana...

Arakaraky ny nihalehibehazako anefa no nitomboan'ny fitiavako azy tsikelikely. Izy ihany koa moa tonga foana isaky ny misy fety.  Mahatsiaro fahabangana aho raha toa ka misy fety ka tsy ao izy. Kanto tokoa izy ary tsy misy toa azy. Izy no nanampy ahy handravona ny disadisa nisy teo @ namako.  Manome tsiotsio-drivotra rehefa mafana ny andro, manome hafanana rehefa mangatsiaka ny androko...

Tian'ny rehetra izy. Nahagaga tokoa fa na ny reniko aza dia tia azy. Ny anabaviko no nde hatao hoe tsy dia faly taminy loatra, narary ny lohany vao mifandray aminy. Taty aoriana anefa niova koa izy fa lasa nifandray, tsy toy taloha intsony izy roa. Tsy omby tratra ny hafaliako, raha misy ny fanahy anabavy, izy no ahy...

Indrisy anefa, sompatry ny tany sy  ankaratsian'ny lanitra. Tsy maintsy nisaraka izahay. Eny, narary ny nandao azy, narary ny mieritreritra fa ny sasany no hiaraka aminy fa tsy ianao intsony. Sitrapo ary safidiko izaho samy irery fa tsy azy anefa. Tsy ampy hivelomana ony ny fitiavana ka dia naleo nitady aloha. Nieritreritra fa hiaraka ihany zahay raha izay no anjara sy lahatra...

Ny tena moa efa nionona ka dia  niezaka tsy nandefa saina tany aminy intsony. Indrisy anefa, tsy laitra fa manina azy tsy ahoana tsy ahoana eo, indrindra moa rehefa tafaraka @ namana. Tonga t@ tsy nampoizina ary ny efa nampoizina fa hitranga. Indray hariva no nosoloiko an'i Rasoa izy Cool. Aza omena tsiny akia ry malala fa lehilahy mila fitiavana ny tena. Nanomboka teo no nanadinoko ny hanitrany, ny hakantony...

Sendra namaky gazety aho anio. Akory ny hagagako nahita anao tao. Niverina tao antsaiko doly ny fiarahantsika taloha. Tsy niova ny hahasoa, hakantonao, ry lasako. Gaga tena gaga aho, hay enao efa 50 taona. Tsy nampiova ny fijeriko anao anefa izany. Tena mahajamba ny fitiavana lahy. Tsy midika inona lesy izay taona any fa ny fitiavana no lehibe indrindra a...

Alefako ity taratasy anty tavoangy ity, atsipy anaty ranomasina. Raha toa ka hitan'ialahy, fantaro fa tsy adinoko ialahy. Mino aho fa ho manja be toy ny taloha indray ny fifankahitantsika. Aza manahy betsaka ny aminy, mpindrana ihany izy fa ialahy no tompon-toerana. Fitia ho doria ny antsika e. Fiarahana mandrakizay, toy ny taloha, migoka ny hasam-barana... what a wonderful world... Veloma akia ry malala,  mandrapihaona....  

Misaotra anao namaky, tratry ny fety doly, soa ny fiarahantsika  Wink


Hevitra

Leave a Reply