Vohikala 101...

Published on 03/31,2008

 

... mety ilaina indrindra.


Alohan'ny hampitomboako ny hasambaran'ilay tenintsika aloha dia aleo asiana resaka fifandraisana eto @ aterineto e.  Naika hataoko tao @ ifg ity fa otran'ny mahasoa/liana ny malagasy rehetra dia aleo atao eto ihany.

Maro dia maro tokoa moa ny "information" (in ny dikan'io @ teny gasy?) miparitaka eran'ny aterineto ao anatin'ny vohikala aman'hetsiny.  Nanome lisitra ana-vohikala 101 (gabone ) mety ilaina indrindra, hanamorana ny fianantsika ny telegraph omaly: jereo eto

Mba jereo fa misy zavatra mahaliana bedabe, mety tsy fantatsika ao. Ny voalohany ao aloha dia mazava ho azy fa ingahy GooGle.  Faharoa, Anonymouse, hoantsika te hanao xxx ka tsy te ho tratran'i sefo ra mampindrana login... bedabe, ny videojug an'i kala pissoa laharana faha 27, useless! Ny wikipedia sy ny about.com moa dia any @ faha 43 sy 48 no misy azy. Tsy dia tena matihanina loatra moa ny voasoratra @ izy ireny angaha... Facebook sy wordpress, 75 sy 76 gidany ooooo, aza kivy eee

Gazety anglisy moa ny telegraph ka mety hoe mifantoka bebe kokoa @ anglisy sy skaotisy, izay somary "conservative" sy "haut standing" ny fandaharany azy...  Mba lasa ihany ny saiko hoe raha manao lisitra hoan'ny malagasy ihany koa isika.  Mety ho laharana faha firy ny serasera sy ny blaogy??

Vazivazy irain-dalana fa entanina sy iangaviana isika mba hiteny na dia hoe site iray fijerin-tsika matetika, gasy ra azo atao. Compiler-na eto ihany izy rehefa vita... Misaotra Indrindra.

 

 


Hevitra

Leave a Reply