Raha toa moa ka... Andron'ny blaogy-- UPDATED

Published on 08/31,2008

Blog Day 2008

Manararaotra kely aloha dieny mbola tsy eto ny tompon'ny label "raha toa moa ka"  Efa ela mintsy ah no nitsiriritra fatatratra, te hangalatra an'io kozin'lery io   Na zany aza aloha tsy misy hifandraisany @ zany mintsy ity resaka ity  an 

Androany, Aogositra 31, no andro iraisam-pirenenan'ny blaogy (merci ikalakely et jogany  ampatsiahy). Raha ny tokony ho izy dia tokony manolotra blaogy 5 vaovao izay tiako ho zaraina amintsika aho androany. Noho ny antony hoe tsy dia nitsangatsangana eraky ny web no sady tsy manam-potoana hamakiana be loatra dia tsy mahita blaogy hoe vaovao be ho entina eto aho, ankoatry ireo eto @ blaogy.com izay tonga dia fantatry tsika rehetra. 

Rehefa hoe andron'ny blaogy moa izany dia hoe mba miezaka ny manalehibe ny faravodilanitra (horizon) fahitantsika isika. Ny ho fandraisako anjara kosa ary dia ho fanetanana ireo blaogy efa novakiako mitady ho RIP .  Tsy mihalehibe manko ny blaogasyfera raha hoe ampitomboina ny vaovao kanefa ny antitra jokotra wazy tao.

Toy izao ary ny valim-panadinana:

* voalohany:  The Non-required, dia efa lasan-korazana mintsy le blaogy nefa mba nahafinaritra ahy mintsy ilay debat somary intellectuel  sy manala azy @ feminista 

* faharoa: lapino, na ny rohy makany @ ilay blaogy aza efa tsy misy tsony fa mi-redirect any @  login serasera. Novonoin'lery mintsy ngamba le izy. Fa dia nahoana loatra re? mba rediredy fahizay nge less ee 

* fahatelo: dotmg, mety tsy hiverina tsony ony izy. Soa ihany fa raha toa moa ka. Le teny anglisy kosa azo adika hoe hifindra trano ihany koa ka asa. eee tandremo sao manjavona eo fa tonga dia hanjakako ity "raha toa moa ka" ity fa tohizo eo ihany

* fahaefatra: pissoa the malagasy, faharoa @ farany  raha mba hoe possibly the end ilay soratra tao mety nitsiky ihany fa probably ozy. Marary mintsy ny foko  :b:b:b

UPDATE:

* gidany: sipakv, mety faharoa ngambany izy fa efa voazara ny bulletin ka tsy azo averina intsony haha.  Dia tsy hay tsony fa na ny nom de domaine aza tsy hita tsony, angalariko eo io an. Za nefa efa vonona ny hi-se faire massacrer mintsy fa le blaogy ndray no nanjavona Dia hamangy @ fahoriana indray koa inona moa. Misaotra an'i rajiosy nampatsiahy azy. I rajiosy moa efa hatramizay no kinaolinaoly fa tato ho ato dia tena tsy mazava ny tena intentions-ny.  Ny fametrahana hevitra no nofafany voalohany ka asa izay ho tohiny.  Toa hitombo ity lisitra ity ra izao no mitohy, mais ou ira ce monde?? 

--

Samy manana ny fasahiranany sy ny otr'zany fa mandalova ihany na dia manao lahatsoratra faran'zay lava indrindrindra otran'le an'ilay namana iny  aza (tsy asiko link fa you know who you are ).



Na zany na tsy izany aloha fety androany, androm-pifaliana koa dia manetana antsika rehetra ankalaza ity andron'ny blaogy ity. Eny fa na rampitso na @ herinan'andro koa aza tsy manina. Tsy voatery hanaraka be an'ilay lalana fa ze tiana hatao fotsiny, mba hoe mpiblaogy dia mankalaza ee. 

 


Hevitra

Leave a Reply