O O O O ry Sarah... Saraaaah!!!

Published on 11/01,2008

 

Efa manakaiky moa ny ora farany @ ity fifidianana an'ny Be kintana ity ka mba hiteny kely aho, haneho ny alaheloko.  Tsy izany manko fa izao vao tena tsapako ny antony hitiavan'i rajiosy an'i Obama. Tsy inona izany fa ny fanohanana ny vehivavy @ fitovian-jo @ lehilahy sy ny hoe fanomezana fahefana (woman empowerment)   azy ireo. Ekeko tanteraka.

Efa hatr@ i Segolene namboarin'i ra-Sarko moa no very fanahy ny tenako . Fa dia nahoana loatra lahy, tsy tsapanareo ve fa tokony omena toerana ambony ny vehivavy? manginy fotsiny:

Izao ve dia mbola misy safidy hatao ihany? hita mazava fa hiaro ny firenena izy. Moa ka tsy izany va ny adidy voalohan'ny filoha?  Tsy misy ny firenena raha tsy misy ny reny. Mazava fa reny izy ary isika no antsoina ho zanany.  Manendrika azy ary tsy olana aminy ny mipetraka eo @ toerana ilaina,  tsy izany tokoa va ny hoe vonona ny ho filoha?  Maro dia maro mihintsy ny mampiavaka azy, tsy hary ho voatanisa eto moa izany (ao @ sipakv misy rohy vitsivitsy), fa akory atao fa izay moa no lahatra.

Marary mintsy ny foko e. Sarah a, na dia ho adinon'ny olona toa an'i Segolene aza enao  dia fantaro fa tiako foana enao e . O O O O ry Sarah... Saraaaah!!!

 


Hevitra

Leave a Reply