Are We There Yet?
Eny Ankatso izany no misy ny mamba...
* fampihasana hery miaramila @ "vahoaka": check!
* famonoana olona: check!
* fanakatonana (an-keriny) radio privee: check!
* monopole ny RNM, TVM: check!
* fanagadrana sy famingampinganana ara-politika: check!
* fanitsakitsahana lalam-panorenana: check!
* fanaparitahana tsaho: check!
* fiziriziriana @ heviny: check!
* famelomana parasite, mpamadika palitao: check!
* sns: coming soon!
Ahoana tsara moa ilay fiteny azy: tsy mora ny manao zavatra... avelao aloha hiasa fa vao aingana loatra no nidirany teo e...
Eny Ambohidepona kosa no misy ny voay...
* fampiasana vahoaka @ ilana azy: check!
* fampanatenana poak'aty: check!
* fanendrena praiministra, mpitari-tolona: check!
* fi-diaboliser-na ny adisoan'ny hafa, fanahiniana fanadinoana ny an'ny tena: check!
* fiantsoana an'A/tra: check!
* fanangonana martiry: check!
* fanaparitahana tsaho: check!
* sns: coming soon!
Ahoana tsara moa ny fiteny azy: A/tra tsy andrin'ny hafa andriko ihany... izay mahasoa ataon'A/tra...
raosy jamba o raosy jamba
ra mahita enao o
savasavao re ny lalana o
fantapataro ny anarany o
isa, roa, telo
Anosy anareo!!