Urban Terror
Araka ny efa fantatsika moa (jereo gazety sy Maharesaka.VETO ) dia tena mirongatra tokoa ny vono olona sy fandrobana teto @ tanana tato ho ato.
Ny tonga any antsaiko voalohany dia hoe zavatra roa no mety mitranga.
Na tena mihamahantra fadiranovana ny pokona ka entin'ny tsy fisiana dia
roboka @ fangalarana, miafara @ famonoan'olona izany... Na mandroso ny
toe-karena, izany hoe misy ny hangalarana, fa misy kosa ireo
sokajin'olona izay tsy mba mahita masoandro @ ilay fandrosoana misy. Ny
tany vao misondrotra (Sina, Inde, Brazily, Mexico, Afrika Atsimo) ny
ankamaroany misy an'io doly. Mety hoe mandroso tokoa ve i Madagasikara
ee? sa faran'izay nihanahatra? sa akaiky ny fara-andro?
Zany eo ihany (hiditra HS @ zay )
fa t@ zoma izany za, nahita fahagagana ee. Isaky izay birao jerena misy
olona dia toa miasa be daholo ary tena serieux be. Fa tampotampoka eo
misy ol tonga dia miteny mafy be hoe kiiiiiiiiiiiiiiiiiii. Rehefa natao
ny fandinihana dia hay milalao doly ny iray birao iray manotolo. Ny
tena tiako ho tantaraina aminareo dia ity lalao milay be iray antsoina
hoe: Urban Terror.
Karazana lalao azon'ny olona maromaro mifanandrina izy io. Akitifitifitra no ady ao izany ary izay tsy maty no mandresy... Ny tena mahatsara azy, ankoatry ny hoe action commando azy, izany dia afaka atao hoe olona @ solosaina maromaro ao @ LAN (tranokala anatiny??) no mifanandrina.
Andrakandramo
hoan'izay mora "bored" ao ampiasana. Ohatra hoe olona ao @ departement
iray mi-contre @ departement iray na hoe birao iray contra birao
anakiray hafa... miaraka @ ambiansa hoe manakaiky week-end izy tena
manja be mintsy
Ao @ io rohy io ny download ho an'izay liana. Mande @ linux, windows sy Mac!!
mazotoa milalao miasa ary