Crazy in Love

Published on 10/16,2008

 

Indraindray rehefa misy antony lehibe  (hoan'ny lehilahy hi-propose) na antony lehikely (hoan'ny vevavy mila voatsihary ) dia mitranga ny fanotaniana hoe maninona no tinao aho?, pourkoi tu m'aimes?, why do you love me? saro-baliana tokoa izy io, kanefa rehefa ilay F no eo anoloanao dia toy tsy misy izany rehetra izany fa mivoaka hoazy ny any ampo.

Eto ary dia ambarako sy hamafisiko aminareo ny  antony hitiavako azy. Valin-teny an'i maintikely, satria tiako izy dia:

*  iarahako  na dia haiko fa mahabe kibo sy mampitombo ny lanjan'ny ... sy ny ... ary mety hampiteraka accident aza.

*  tsy tiako doly ireo rafivaviny, indrindra fa ireo maivana, tsy mitovy tsiro aminy. Izay tiana mitombo tarehy fa tena kanto anie izy iny e.

* na dia jamba aza aho, na tapenana ny masoko dia fantako foana rehefa izy no eo anoloako.

*  haiko tsara ny akanjo mahamendrika azy kokoa. Mety aminy doly rehefa akanjo atonona azy fa zany hoe ilay somary volon-tany matevina iny no tena mampiseho ny hatsarany.

*  haiko tsara fa tsy tokony hiaraka izahay ary manongo tena aho miezaka ny tsy hahita azy kanefa tsy mahavita herin'andro akory aho tsy miaraka aminy.

* tsy mety leo azy mintsy aho fa vao anio alina aza ny firaisana  ka mbola eo izy ny  ampitso dia vonona foana aho ny hiaraka aminy.

*  haiko ny tena mahasamihafa azy @ ireo kanto hafa, izy tsy mba misy/mandefa  rivotra izany. Mihanta tokoa moa izy fa dia mangidy raha vao tsy ampifaliana ao anatin'ny fotoana haingana.

*  tsy avelako hiala ao @ toerana natokako ho azy mintsy izy na dia mety hisy fotoana aza tsy hiarahanay. Tsy vitako ny hieritreritra fa tsy eo anilako izy. 

* i Mc Do aloha dia tsy mahatatra azy eee. Voninahitra hoahy izany.

* tsy tiako  ary  marary ny foko ra izy no lotoina @ zavatra hafa. Na izay hampangatsiaka azy aza. Efa misy toerana natokako hoazy ao amiko.

* rehefa mangetaheta aho na misy zavatra hataoko, eny fa na hinan-kanina aza dia izy no ao antsaiko voalohany. Tokan'ny foko izy ee.

* izy irery ihany no tiako, ilay gasy ka manjako.

To know her is to love her, fantatrao izy. Ra mba hitanao izy dia lazao azy ny hoe An'i malalaaaaa  manoratra ho anao aho... tiako izy tsy asiana hoe nahoana: *marry me* 

:b:b:b


Hevitra

Leave a Reply