Tantsaha Wannabe

Published on 01/21,2009

 

Asa ianareo raha mba toa ahy fa izaho dia mieritreritra lava hoe diso kariera. Zany hoe tsy mahatombotsiraka no tena marina e. Ze ataoko rehetra otran'ny tsy tiako doly...  te ho kosmolojista hanadihady ny niforonan'izao tontonlo izao ee... hianatra ny fiforonan'ny olona  sy ny dinaozoro ee... toa efa lany andro @ zavatra hafa ny hatanorana vao tonga saina hoe diso lalana ah letia ee.

Teo ampisakafoanana niaraka t@ bandy sinoa izay ary no nitantara lery hoe tantsaha mpamboly ny RAD-ny. Tena ni-inspirE ahy tanteraka ny fitantaran'lery azy ka hoy aho hoe tsy maintsy ho tantsaha aho indray andro any. Ny tena marina, nampatsiahy ahy ny fiainana ambanivohitra nipetrahan'ny  dadabeanay sy bebeanay izany.  Izaho aloha tantsaha ihany @ izao fa zany hoe ilay miaina any ambanivohitra mintsy no tiako hatao ee.

Ilay mihinana ny zavatra nambolena. Mamboly korzety, atao mitandavana milahatra. Tsara ery rehefa misy vonony mavomavo otran'ny hoe zaridaina vonikazo mihintsy. Dia asiana dobo-trondro. Vao mitsofoka ny fitana dia mahazo ouh la la.

 

Mamboly vomanga sy saonjo koa. Hohanina miaraka @ ronono. Mila miompy omby ve? ilay maka vilina manko no spaoro be.  Aleo miompy akoho sy gana sy dokotra kle. Atao betsabetsaka dia isaky ny alahady akoho gasy ny laoka.  Tsy adino ny akoholahy manatody lava... atao kaly maraina sy fanaovana gateau huhuhu. Ny mamboly cocombre sy salady misy tangosana isak'ze tendakanina. Dia inona koa re e?

Aza ihomehezana ity lahatsoratra ity fa rediredy tena izy an. Plan de retiretiko ity no tena marina. Soratana eto mba tsy ho adino hoe izao no mba zavatra tiako hatao t@ izany andro izany... ampidirina ao anatin'ny bucket list hahaha. Dieny zao dia efa manangom-bola hanaovana piscine sy terrain de tenisy,, ra tsy izany dia akisaka ny ranomasina hifindra any ambanivohitra... manomboka sahady ny retoro d'age letia eee. 

 Raiketo indray ny TGV vs ra8 round 2  fa tsssssssssssssssss

 


Hevitra

Leave a Reply