Izany mihitsy
Misy rangahy iray izay zany,
Hoy izy momba an'ity toerana iray eto Antananarivo renivohitra:
“T@ 1973 aho niala teto, efa nisy olana fako be ohatran'izao teto @ ity toerana ity „
prehistorique
Lasalasa saina tampoka teto ah... nisy namana narotsoratra hoe efa folo taona lasa izay.
Dia gaga hoe kay le, izany tokoa moa izy ity 😂
Dia niezaka nitadidy sy hoe mitady arsiva hoe inona avy tokoa no mba malaza sy hoe tiako t@ folo taona lasa tany... hoe mba hanao retrospecitva tsotsotra... kinanjo, izay vao tena tonga saina sy marary fo fa otran'ny tsisy hoe zavatra malaza na hoe "d'actualitE" @ izao intsony izany... asa, tena efa antitra sy hoe Ntaolo tokoa angaha ny tena 😎
Dia izay ee... soa ihany fa mbola misy ny blaogy fa raha tsy izany tena mety hoe tsy hita trasy sy tsy fantatry ny oniversa akory hoe mbola velona any ihany...
Izay ee. Lahatsoratra secret chhuuuut, atolotra manokana hoan'ireo namana mahatsiaro ity. Soava tsaraha, ho tahian'Andriamanitra ðŸ™
Vao hitako vao teo fa mbola misy ny serie Grey's Anatomy => na dia niova daholo aza ny zava-drehetra, mbola misy ihany ny taloha, na dia efa hoe soara sy tsisy mpanaraka tsony aza 😄 asa re, mbola azo asiana revin-gadra sy rediredy fahizay indray va re? sa hoe souvenira souvenira no tena maha-manja azy...
C'est la vie!!
hum hum
Ahoana koa itony?
mba initiative tsara...
sao dia mba misy te hampiaraka any
tsy hoe mitoraka ah fa otran'ny hevitra metimety ihany izy ity...
Ra mba misy afaka mitantara na hoe manome hevitra momba an'le izy no vao mia koa manja!
simplo
Moa ka tsy izany va?
End of an era... mivalona ny tantara.
Tsy misy ambara na ho tantaraina. Mivavaka hoan'ny fanahiny.
Tadidiko fotsiny ity, somary nampitsiky ahy ny fahatsiarovana fa
Nanao paompy, petite serie de 12 izy refa nitontona teny Ivato 😂😂😎😌
¡Rombo rombo rombo!
bn
Asa raha misy mahatadidy fa t@ mbola tanora sy mbola nazoto niblaogy dia faly ery nankalaza an'ireny xxx Day ireny. Ohatra hoe ny blog action day... rehefa niha-antitra anefa dia tsy naharaka revy intsony sa hoe lasa niova revy nga ny tena marina. Dia lasa tsy raitra @ mahaliana ny be sy ny maro intsony na hoe manara-drenirano.
Anio kosa anefa dia andro manan-tantara izay anisan'ny hoe farany izay tiako indrindra... tsy inona izany fa ny andro natokana hoan'ny kamolahy otranah: World Sleep Day.
Koa tsy hay ny tsy hametraka teny kely, hirary soa sy hanasa anao @ ity raharaha tsy mialonjafy, fanomezan'Andriamanitra ary mampitovy ny mahantra sy ny manan-karena ity. Tsy inona izany fa ny: torimaso sy hakamoana.
Ity ny fitadiavako azy... rehefa ilay somary insomniaka kely ireny @ 3 maraina...
Mampatsiaro ahy ny hoe serenite sy calme... rehefa cyclone tany ambanivohitra, tany @ bebeanay... tsisy atao ary matahotra ho zakan'ny rivotra ny tafo-trano... dia matory sisa no azo atao: fahasambarana ao anatin'ny fihahihahiana 😄
Tratry ny taona aloha ee.
Indro omena anao ny fanambarana avy @ fanahy masina:
2020 -> work from home, zany hoe miasa any an-trano
2021 -> work from bed, miasa eo am-pandriana
2022 -> work from coffin, miasa ao @ vatam-paty
2023 -> Matrix
jereo eto
c'est la 😴😴😴😴
tafandria mandry oo
simpli simpla simplu
mpisorona manjaka, vahoaka navotana
Teraka i Jesosy
migobaka ny sosy
Ry havana malala, indro fa tonga ny ora hitorian'ny mpanompon'A/tra ny teniny 😂😎
i Jesoa dia mpanjaka, fa tsy eto an-toerana hono ny fanjakany (mila toko sy andiny eto)
Raha ny fandihana ny fikafikan'i jesoa izany dia mba hoe ho lasa mpanjaka toa azy ihany koa ny mpanaradia azy. Mety tsy le eto an-toerana io fa mety le hoe any "an-dafy"... tsy hay anefa ny tsy hahita sy hampitaha @ ilay eto an-toerana ee.
Tsy dia i Jesoa loatra anefa ny tiako resahana,
fa kosa ilay resaka mpanjaka teo
Joyeux noel alou ee, na koa hoe Bon annif i Jesoa!
Rebelote kely an'le resaka coliseum eo anati-rova alou:
Naika hirediredy be ah t@ iny vao nitranga... eo anilany ny lafiny Rajoelina, izay fanatika bling bling sy hoe mpaka-tahaka ny any ivelany: mety hevitra tsara ihany aloha ilay hoe manao museum kely sy hoe fanarenana ny vakoka, fa ilay resaka tia seho-seho sy "fake" na hoe sans substance no otran'ny indrony hatr@ zay... eo anilany ihany koa ny mpanao "arovako ny rovako fa lovako" izay mandaha ankitsirano an'le coliseum, izay tsy hitabean'ny ihany ilay fond an'ny raisonement hoe illegal ve ilay izy sa hoe masina io tany io ka tsy tokony kasihana sa hoe manimba endrika ny la-haute sa hoe tsy ho patrimoine intsony raha vao atao knolinoly eo: mety misy fahamarinana daholo ireo voalaza ireo fa saingy hoe ny tsapa fa fond an'le resaka fotsiny dia otran'ny hoe fanaovana halako bika tsy tiako tarehy satria i Rajoelina no manao azy... mety mila mediation sy/na hoe fiaraha-miasa na hoe mamimaritra iraisana, dia mety nahavita zavatra ankasitrahan'ny maro ary lovain'ny zanaka aman-jafy...
Eo ihany koa ireo nieritreritra fa hoe "resaka mandany jiro" izy iny... satria ra misy ny vola hanaovana zavatra, coliseum ve ny tokony ho voalohan-draharaha ampiasana an'izany? eny e, ny olana aloha tsy maintsy misy foana e... ary ny tena marina, politika kolotoraly mifanahaka @ fijerin'izay voafidy no ho hataony... tsy dia misy firy azon'ny be sy maro atao @ izany, afa tsy ny hoe miwawawa eo @ facebook sy hoe manao fanairana angaha... tsy hay intsony ny tohiny.
Izao indray, iray sa 2 volana lasa,
Naverina ny satroka courone (sa inona no filaza azy?) dia avy eo ihany koa ny akanjon'ny mpanjaka Ranavalona faha-3. Satria hoe vakoka malagasy ary lova tokony hita/fantatry ny Malagasy. Otran'ny mba serieux ihany izany i Rajoelina... dia mipetraka indray ny fanotaniana. Hoe ahoana ny zavatra hafa mety manan-danja kokoa, tokony mba mahazo "focus" lehibe lavitra mihoatra an'itony bling bling itony ohatra hoe ny Plan emergence de Madagasikara? Efa 6 volana sisa dia mi-mandat, otran'ny mbola tsisy inon'inona hita na hoe manangasanga kely fotsiny aza.
Na io Rova/coliseum/courone/akanjo io aza sao dia mba adino ny tena antony lehibe dia ny hoe fiandrianam-pirenena, "identite nationale" sy hoe fitiavan-tanindrazana? sao dia variana madio ivelany fotsiny eo? Mbola eo ambon'izany ny hoe Rova an'i Madagasikara sa rovan'Antananarivo sa rova Manjakamiadana: sao dia mba identite Iarivo na hoe Imerina no voakasik'izany... aleo tsy tohizana lava.
Fa zao...
Business idea hoan'izay mamaky eto... na ny tanora, solofo dimbin'ny ala... hoe: maninona raha "democratiser"-na ny akanjon-dRanavalona mba ho lasa "mpanjaka" ny vahoaka. Eto sy eto sy eto misy sary maromaro. Hoan'ny mpanjaitra sy hoe "fashionista" no tiako hahatongavana... Hoe raha ireny ankanjony ireny (na koa ny an'i Radama hoan'ny lehilahy) no atao modely na hoe hangalana inspiraka... raha toa ka lasa izany no lasa "mainstream" hoe bedabe ny mpanao/mpanjaitra azy sy hoe olona miankanjo azy, dia tsy ho azo lazaina hoe: tafiditra ao anaty koltorantsika iainana isan'andro (na hoe fety) ny faha-mpanjaka? jereo ny malabary izao tao anatin'ny 10 taona dia lasa "mainstream" sy hoe lamody indray...
Atsipy ny teny ary hoan'izay miheno... mety mba ho mpanjaka eto an-toerana isika rehetra @ izay, ary ho mpanjak'i Madagasikara fa tsy Manjakamiadana irery akory!
Tsy otran'ny mifandraika @ izany ve ilay vavaka nampianarin'i Jesoa hoe: ho tonga anie ny fanjakanao, eto Madagasikara tahaka ny any an-danitra!! 😔ðŸ˜
izy tsisy sosy
nefa dia bogosy
Vita tompoko
TGIF decouverte
resaka tsisy dikany...
au boulot...
tantaraiko...
confinement, t@ 1ere session an'ny corona t@ avril no nahalalana (au sens biblique) ny rap sinoa:
2eme session, @ izay avy eo... isaky ny zoma... mufasa
et pour finir,
DJT jokes
😂😂😂😂😂
entre pa, lasa otran'ny roman ny fifidianana an'i Bekintana an.
Mbola tsy nanaraka ny fifidianana tany ohatry ny t@ ity taona ity ah. Na t@ Obama 2008 aza, marina fa niarin-tory niandry valiny... fa zao tena lasa manaraka mintsy hoe state aiza sy aiza no mila arahana... inona ny dikan'zany electoral votes... enfin bref, Donald doly no nahatonga an'zany ee 😀
Ny tena decouverte hitako anefa dia i Jo Jorgensen. Hoe iza koa ary itony mintan-jiro itony... sady tanora no vehivavy... tsy mba ohatran'ireto anti-dahy anaki-2 mila maka retirety ireto...
Asa, ny mba hany mety hahatsara fiafara an'ity tantara inty nga dia ny hoe: tonga i Joe, hanokatra ny lalana hoan'i kala Kamala yayyyy 😎
C'est la whaaaaat??
Bon weekend!
Continuité de l'Etat
Androany izany ny hoe 14 Oktobra… hankalazana sy hahatsiarovana ny 14 Oktobra 1958, izay nanombohan’ny Malagasy nitantana ny diany sy ny hoaviny. Tsy ho eo ambanin’ny fahefana sy fitantanana kolonialy Frantsay intsony.
 Naika hataon'i rafanja makotroka ny fankalazana hasolo ny hoe 26 Jona kanefa moa tsy tratra sy tsy vita indray… dia hoy ah hoe aleo mba hanoratsoratra kely indray @ ity vaninandro ity handinihana sy hanaovana retrospective kely.
Vao nanao kajikajy kely aho hoe raha 1896 no nanomboka ny fanjanahana ary azo lazaina hoe 14 Oktobra 1958 no niafarany, na hoe niverenan’ny Malagasy nandray andraikitra ny ho @ fitanana ny fireneny… dia @ izao 14 Oktobra 2020 izao izany dia mitovy ny fotoana nisian’ny fanjanahan-tany najakan’ny Vazaha Frantsay sy ny hoe fotoana nitantan’ny Malgasy an’ity nosintsika ity: samy 62 taona mikatroka: 1896- 1958 sy 1958-2020. Manomboka eto izany dia efa ny Malagasy indray no nitantana ela indrindra ity firenena ity ary tsy ho azo ampiasaina intsony ny ekskizy hoe: vokatry ny fanjahan-tany!
Raha atao tokoa mantsy ny bilan kely tsotsotra dia ahoana hoy ianao: nahavita zavatra ve isika nandritra an’izay 62 taona nitondrantsika izay? sa hoe zero manatody?

Asa, diso ve aho raha miteny hoe ny ankamaroan’ny zavatra mbola azo raisina sy hoe mafonja dia zavatra vita t@ andron’ny fanjahan-tany avokoa eto amintsika? na ny infrastructure: lalana, batiments, planifications urbaine,… ny toekarena: mbola ny fambolena de base sy hoe exporations vanille/litchi efa t@ fanjahan-tany ihany no eo… na ny systeme an’ny fahasalamana na ny hoe fampianarana aza… dia tsy nisy zavatra hoe tena nisongadina sy hoe nivoatra hita hoe tena nihatsara.
Tsy tia hanalava resaka aho fa fanairana kely fotsiny hoe: vitan’ny vazah ve dia tsy ho vitantsika? bedabe ny gasy makany an-dafy tonga dia mahay be ary tsy mena-mitaha @ hafa…
Ka nahoana ary no tsisy zavatra manjary mintsy eto?
Ho feheziko @ ilay lohan-teny ny valiny: Continuite de l’Etat!
Betsaka ny antony kely sy lehibe, tsy nampivoatra sy tsy nampandroso teto... fa io ngamba no tena folaitra voalohany indrindra hoy aho.
 Satria ra ny coco aloha otran’ny manana ihany isika fa ilay fomba fandraisana ny politika hatr@ izay mihintsy no misy lesoka kely.
Ireto aza misy soso-kevitra vitsivitsy:
- Tsisy projet mba mitohy izany mihintsy eto fa isaky ny 7-12 taona misy krizy… dia izay mandresy dia mandrava sy mamerina @ voalohany manao halako bika tsy tiako tarehy izay nataon’ny teo aloha daholo… ka hoy aho hoe izay eo @ fitondrana @ izao… ireo izay mikasa ny hoe eo @ fitondrana rampitso… mba ezaho ho tohizana/ahitsy izay paika efa miainga fa tsy hoe depart a zero foana… mino aho fa raha notohizana tsizarizary teo aza rehefa 62 taona mety ho misy raisina ihany an.
- Mahatonga ny continuite ihany koa ny hoe fihereverana na hoe fitsinjovana ny mpanohitra, raha enao no eo @ fitondrana… ireo antoko politika na olona politika voadaka rehetra teto ireo dia tsy mba nitsinjo ny hoe indray andro any aho mba ho mpanohitra koa… tsara kokoa ny hoe mametraka rafitra (lalana sy hoe framework) ahafahan’ny mpanohitra mi-existe sy mi-contribuer @ resaka sy debat @ politika/stratejia handehanan’ny fiainam-pirenena… raha tsy izay dia izay hataonao @ mpanohitra androany ihany no ho ataon’izy ireo aminao rahampitso rehefa ianao no ho mpanohitra.
- Ny mpanohitra ihany koa sy ny antoko politika @ ankapobeny dia tokony mijoro @ hoe ideolojia na hoe “cause” anaki-1 na maromaro… fitambaran’olona mitovy tanjona izany na hoe mitovy fijery, tanjona ary fitondra-tena… tsy tokony hoe fanohanana olona iray ny antoko ary tsy tokony miodina @ olona anaki-1 ny fisiany… asa ra mazava fa ny tiako hahatongavana dia ny hoe a la base, ozy ny tanora izay, tokony hoe misy antony any am-potony hiadivan’ny antoko ohatran’izany ireny hoe Democrat/Republican na hoe Labour/Conservative ireny… Tsy voatery manaraka ny an’ny vazaha akory isika fa ny tiako hahatongavana dia ny hoe mifototra @ hevitra ny antoko fa tsy @ olona… Tokony mijery na hoe manana vision hoe ho antoko mihoatra ny 100 taona ity antokotsika ity…
- Mifandraika @ izay ihany koa ny hoe ra antoko mpanohitra tena izy dia ie mazava ny zavatra na hoe hevitra toherina… fa tokony atao mazava ihany koa ny hoe zavatra atosika, alternative hoe vahaolana atolotra hoe manohatra an’ity izay ary izao no tokony hanaovana azy. Izao sy izao ny hevitra tohananay.
- Fitiavan-tanindrazana tokony mihoatra ny fitiavana tokan-trano, fitiavana fianakaviana. Ra tsy manana an’izany fahasahiana izany ny olona iray dia tokony tsy mandray andraikitra na inona io na inona. Io kian-trano antrano ary fihavanana @ maha mety azy io no mahatonga ny hoe tsy mitovy ny fanompo-mpirenena ary tsy mitovy ny lalana, fepetra mihatra @ tsirairay.
 Diso utopique loatra ve izany? Jereo ireo firenena Nordique ireo fa misongadina mihintsy izany hoe “service publique” izany.
Ny tiako hahatongavana dia ny hoe mila manana fahasahiana hoe na manda ny “fitakian’ny fianakaviana” na mametra-pialana.
Mazava hoazy misy ny dimension hoe stratejika toy ny fanana programa ohatra ny hoe MAP na IEM na tsy haiko… tsy hidirako lalina izay fa tsara fotsiny hoe zavatra mba realiste sy hoe azo tanterahina “baby steps”… fa tsy otran’ny manonofy atoandro ohatry ny hoe mirotsaka avy any an-danitra ny vola sy/na hoe manana competence @ zavatra rehetra i Madagasikara… mbola blaogy hafa koa ngamba izany.
Dia izay ee,
Raha ny zavatra hita hatr@ izao aloha dia tsy manakivy aho miteny hoe... tsy naleo ihany nijanona nisy mpanjanaka ve? asa, mety mivadika sy hifoha ao ampasana ve ny mpitolon'ny fahaleovan-tena raha maheno an'izany?
Sa ve hoe mbola mitohy ny tolona? @ izao tsy efa samy isika ihany ve no sakana ho @ fampandrosoana? asa, mety tsy hahomby intsony ny 1947 fa mety paik'ady vaovao indray angaha.
Atsipy ny teny ampon'ny mahalala.
Samy ho tratry ny hoavy ee!
Miray soa ny mpiray tanin-drazana
🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬🇲🇬
Ny tolona, amin'ny anarany
Misavoritaka be ny eritreritro… mikasika ny zava-misy, asa na ilay hoe confinement manome faux-fahalalahana angaha. Bref, soratsoratana fotsiny eto izy… enganie mba hisy hamaky <= ianao io, futur moi ihany koa.
Raibe
Sarotra be ny mitsikera ny hoe ataon’i rafanja sy ny mpitondra satria krizy mafonja ary tena hoe tsisy hoe nateraka na hoe nohalehibiazina hiatrika zavatra toy izao.
 Raha tsisy confinement dia asa, marina fa misy ny tsy ho faty fa tena mety ho aman’hetsiny no ho faty. Ny antsika hono kay azo isaina @ rantsa-tanana ny respiratoire artificiel.
Dia izay e, ankoatry ny hoe genocide sy hoe crime contre l’humanite… dia ny hoe raha ny RAD na havanao no lasa, ho vitanao ve ny hijery fotsiny?

Renibe
Raha asiana confinement anefa. Isika mazava fa firenena mahantra. Izay tsy vitan’ny corona, ho vitan’ny fahantrana. Marary ary ory ny fo maheno ny tantara hoe tantsaha mandeha an-tongotra adiny firy, hande hivarotra entana dia adiny 1 fara faha-betsany no afaka mivarotra. Sady reraka no maty antoka kanefa tsy afa manoatra. Mahatra ve moa ho aiza eo.
 Ra ianao tokoa moa no eo @ toerana: raha tsy mihinan-kanina siora fa ho faty, raha voan’ny corona mety misy chance tsy ho faty. Mazava ny lalana. Mety eo @ 2 na 3 volana eo ho eo @ fahatongavan’izany isika. Tsy maniry loza aho fa mety ady an-trano sy adim-poko no hiafaran’io. Dia miverina @ ilay aman'hetsiny teo ihany.
Diavolan-kolava
Asa ity raha hoe kobon’i rafanja fa aleo tenenina ihany ny hoe: mbola vao manomboka ny lalao eto amintsika.
 Mazava ve ny stratejia-antsika? Misy ireo manao hoe ekena fa tsy maintsy ho voa daholo ny rehetra fa atao ny confinement mba tsy hibosisika be loatra ny fidirana hopitaly dia mba hoe mahazo immunite tsikelikely ny firenena, mandra-pivoakan’ny vaksiny. Ny antsika ve hoe ho fohanana tanteraka ny tsimo-karetina? dia ho hakatona firy volana izany ny aeroport? ho voatandrina ve izany? Asa, mila mivavaka ihany hoe tena mandaitra tokoa ilay covid-organics… mety gidragidra raha tsy izany.
Averiko indray: mety mbola volana maromaro no hiarahana miaina @ i corona. Ary mbola tsy manomboka akory ny vokatry ny tsy famokarana sy tsy fiodinan'ny toe-karena, nateraky ny confinement.
Audacity of hope
Diso mafinaritra ahy loatra ity kozin’ingahy Obama ity. Ny hoe finoana, fanantenana amin'ny fiovana mafonja sy mavaitra… indrindra rehefa @ toetr’andro tsy manan-tsafidy toy izao ny mpiara-belona, mpiray tanin-drazana…
Apetraka eto ary ny fanotaniana sy resa-dresaka manitikitika. Ny tanjona dia ny hoe hanodinana an’ity krizy ity mba ho opportunitEs, sy tohatra hisian'ny tena fiaingana makany @ tany nampanantenaina
- Mety misy opportunitE hanangonana donnees @ hoe baseline na hoe toerana farany ambany tiana ampiankarina @ politika ekonomika sy sosialy an’ny firenena ny fanomezana an’ilay hoe vatsy fanampiana ny tokatrano sahirana. Nahoana tokoa moa no tsy ho azo tohizana ireny na corona na tsy corona? tena hitako fa zavatra tsara be mihintsy ny nataon’ny Lula tany Brezily nanao zavatra hanampiana ny mahantra. Tsy voatery hoe vola na kaly fa na hoe asa na hoe trano na sanitaire na otran’zany…
Eo ihany koa ny hoe mouvement an'ny vokatra/sakafo, ny habetsany sy ny hoe toerana hiaviany avy any ambanivohitra. Ny sektera informelle kely rehetra sy ireo izay mbola tsy voarefy hatr@ izay.
Manomboka @ fananana donnees fiables, eny fa na dia hoe faritra vitsivitsy fotsiny aza... ny ahafaha manao zavatra lehibe kokoa, projections sy hoe cadrages macroekonomika.
- Tsy fotoan’ny hampifohazana ny hambom-po an’ny firenena ve izao? sady 60 taona no fahaleovan-tena.
 A la base (ozy ny tanora) tsy maintsy manomboka @ indostrialization foana ny fandrosoana.
 Nahoana isika no tsy mba afaka manosika hoe fambolena a grande echelle (bedabe ny hoe kere eto afaka 3 volana an — ary tsy afaka ny hividy/hanafatra any ivelany akory fa satria samy tsisy manana daholo). Misy firenena afrikana tena hoe izay tazaninao iray manotolo katsaka daholo. Na hoe akondro na vary na ovy na box… izany ve dia tsy vitan-tsika?

Sektera segondera ireny. Manodina ankora ho zavatra ampiasaina eto @ tanana. 
Nahoana no tsy mba afaka mamorona zavatra eletronika? na hoe motera kely na fanamboarana machine fitotoam-bary aza tsy vita eto… nefa mino marimarina aho fa betsabetsaka ihany 
ny bandy/sipa avy any @ polytech afaka mi-trav @ zany.
 Tsy ho vitan’ny gasy ve ny manamboatra hoe respiratoire vita gasy ohatra… Na tsy hoampiasaina zao aza mety ilaina foana izany any aoriana any.
- Science and technology: izany koa ny hoe tsy maintsy atao fototry ny revolusiona. Nareo ve tsy mba lasa saina na hoe mitsiriritra mahita an’ireny hoe North Korea, na hoe Iran dia firenena faran’izay hoe voasazy sy hoe tsy afaka manao na inona na inona kanefa dia mbola lasa lavitra be mihoatra an’i Madagasikara ihany?

Mila visionera ve vao hahita hoe mila manam-pahaizana, mpikaroka mifantoka @ zavatra eto an-toerana isika? ilaina ny teknisianina. Teknisianina liana @ fanaovana zavatra mifandraika @ ilain’ny firenena. Teknisianina tena izy. Ny antsika manko teknisianina mpanenjika boritra no tena betsaka. Marina fa ilaina ny boritra fa ny zavatra atao sy ny vokatra no mbola ambony kokoa. Ilaina ho teknisianina ny teknisianina fa tsy ilaina ho atao sefo. Ny antsika ny hoe sefo sy deba foana no mahamaika.
- Efa voamarika ve ny lalana sy hoe sektera stratejika antsika?
Zavatra hifanarahana fa ho andrin’ny fandrosoana ka na iza mpitondra na iza mpanongam-panjakana ho avy eo dia hitandrina izany toy anakandria-maso avokoa.
Aiza ho aiza ny hoe fahaleovan-tena ara-enerjia?

Zao zao no mora ny solika… Mba misy fika hanosehana ny Jirama ve?
- Na ho marina na ho diso ny visavisa fa ny manetsabe mbola hoavy @ corona, dia tokony miomana rafanja. 
sao dia tokony ampanjairina (a grande echelle) dieny izao ny fitaovana ho ilain’ny dokotera sy ny sage femme. Ho hilain’ny mpitandro filaminana.
Ra vao ireo no tsy poinsa dia anarchie no mivoaka eo.
Ny fanaovana test, tsy ho zakan’ny Institut pasteur irery io. Tena erreur goavana be mihintsy ny tsy fahampian’ny test. Tena mety tonga dia hirongatra be mihintsy io ra vao tsy ampy ny test. Nahoana no tsy aparitaka ny fahaiza-manao ny test? Mila fiofanana firy taona vao afaka manao an’zany? Tsy manana olona nga isika?
- Decentralisation/Deconcentration
tena hitabe mihintsy ny difference rehefa hoe samy mandray an-draikitra ary omena fahefana/fahalalana hitantana ny diany ny any ampotony.
 Tsy ho zakan’ny di-doha sy baiko mihidina avy an-dapa io rehefa hiparitaka manerana ny nosy ny valan'aretina.
Jereo fa misy firenena vitsivitsy somary miavaka @ ny nandraisany sy niantrehany an’ity corona ity. Dia mazava be fa tsy olona anakiray foana no omnipresent @ zao rehetra izao.

Tsy ho @ corona ihany fa ny zava-drehetra ambiny, indrindra fa ny resaka sosialy sy ekonomika, izay hita fa tena ngoza lavitra.
- Homme d’etat
Marina alou fa nisy fivoarana ny fanarahan-dalana sy ny hoe minimum de semblance @ etat de droit eto amintsika… kanefa…
 somary mahagaga sy hoe mampa-tahotra ihany ny hoe otran’ny tsisy lalana na mba hoe loi de finance rectificative fotsiny aza navoaka fa tonga dia “didy” daholo ny zava-drehetra.

Tsy voatery manaraka ny tandrefana foana akory isika ary mety manana ny hoe fomba demokratika antsika isika fa zany hoe mitarika any @ diktatiora ny fikasokasohana lava loatra @ fahefana tsisy mpametra sy manara-maso.
Tsy mba mahatalanjona anareo ve hoe na i Trump jiolamboto faran'ze zokiny iny aza ve tena tera-tsemboka mihintsy hanaovan'ny mpanao gazety azy. Aiza ho aiza @ izany isika?
Rahoviana vao hisy minisitra ho tera-tsemboka sy ho toy ny boay kely miatrika mpanao lalana eny Tsimbazaza?
- Fitiavan-tanindrazana
Tsy fotoana tokony hanehoana ny tena hoe fitiavan-tanindrazana sy hoe fitiavana ny vahoaka tokoa ve izao?
 Ny role sy hoe asan’ny opposition no tiako hahatongavana eto. 
Ny ankamaroan’ny “mpi-adversaire” politika maneran-tany rehetra samy nikaon-doha ary miara-miasa @ fitondrana daholo satria hita fa tena latsaka lalina ny firenena. 
Mba aiza ho aiza isika? mbola ilay interet personnelle foana ve? asa…hevitra miady ve moa tsy hisy fa ny hoe mbola hifamingana ihany nefa efa loza mitatao be. Ny politika mivadika ady personnelle moa dia tsy lazaina intsony.
Nareo ve tsy mba mitsiriritra mahita an’ireny hoe John McCain sy Joe Biden bandy akama be, nefa tena hoe sakay sy maso @ ideolojia ara-politika.
 Nahoana no mpinamana i Bush dadany sy i Bill Clinton kanefa ny iray no nanala ny iray teo @ fitondrana?

Ra tsy misy stabilite politka eto tsisy zavatra vanona izany. Na IEM io na MAP na emergence 2030… tsy rocket science izany ozy ny voanjo… Izay rehetra eo @ fitondrana tokony hahatsapa fa izy no ho mpanohitra rahampitso.
- Nofy malagasy
Asa ianareo raha mahatsikaritra ny hoe marketing sy hoe mythe any @ Bekitana ny @ hoe American dream.
 Izay averim-berina matetika hoe ity no tany hahafahan’ny tsirairay manan-tanteraka izay nofinofiny. Rehefa miasa mafy, milofo sy mikiry dia tsy maintsy tafita: arizato ampaosy no ho millionera. Dia lasa kolon-tsaina ary tena inoan’ny olona tokoa. Izany no mampiray hina sy hoe mampiara-mandroso ny rehetra.

Tsy mba misy hoe Revy sy nofinofy Malagasy ve? 
Ny antsika manko dia ny hoe valala an-karona no mampalaza antsika. Izay mba tafiakatra sady tsy misitona ny hafa hiakatra fa mandetika aza. Ny hafa ihany koa tsy mba miezaka hiakatra fa ny hisitona ny tafiakatra hidina ihany koa…
Misy teny malaza manao hoe vao mia mamiratra be ny trano raha misy labozia mamiratra mamindra afo hamiratan’ny labozia hafa. Tsy mampihena ny famiratanao ny famiratan’ny hafa. Vao mia aza mampitombo be ny famiratana miaraka.
Asa mety hevitra tsara ihany ny manao “marketing” kely ny fampietanana ny fitiavan-tanindrazana. Izay manomboka @ fitiavana ny mpiara-belona. Miara-mientana, miaraka manova toe-tsaina, miaraka mandroso, miaraka samy tsy hanaiky ho resin’ny fahantrana, ho resin’ny corona.
Ny mitabe tsy lanin'ny mamba hono. Tsy efa fotoana tokony hamerenana ny fihavanana tokoa ve izao. Ary raha refesinao @ fahafahanao manampy ny hafa ho tafita, ny hoe mahatafita anao? Raha tafita irery ianao dia tsy tafita izany. Raha mihoatra ny iray no miaraka tafita, noho ianao dia izay ianao vao tena tafita.
Atsipy ny teny, ampon’ny mahalala.
Mino marimarina aho fa tonga ny kihon-dalana izay hiarinan’ny firenena.
Hatr@ izay manko isika, isaky ny misy rotaka/krisy foana no hitrangan’ny mesia, na hoe faux-mesia manome faux-espoirs. Izay somary havanana @ fanonganam-panjakana fa resin-tory sy naka goka @ fitondrana makany any @ tombon-tsoa manokana avy eo. Dia miverina mivarilavo isaky ny 10 taona migrevy sy manongam-panjakana eto foana isika.
Amin'ity indray mitoraka ity kosa izany dia ny fiainana (sa hoe ny oniversa? na A/tra?) mihintsy no hitondra ny mesia. Na koa hoe mety hampa-lasa ho mesia antsika rehetra.
Eny, arahim-bavaka. Arahin’asa sy hoe fandavan-tena ary fahatokisana ihany koa.
*Soava tsaraha*
â¤ï¸ 🇲🇬 â¤ï¸ 🇲🇬
Who run the world??
Refa ilay andro somary manokana na hoe manan-tantara otran'izao dia miandrandra zavatra special foana ah. Eny, @ taona 2024 indray vao hisy 29 Febroary manaraka. Marina aloha fa minomino foana ah e. Na dia hoe tsy marina foana arany. T@ ilay hoe palindrome 2020 iny zao nijerijery "signe" avy any an-danitra @ oniversa kanefa otran'ny tsisy inoninona akory. Nieritreritra hoe otran'ny zoma faha-13 izy ity ka izay mino azy ihany no iharany... bref
Tsy izany mihintsy anefa no tiako resaha androany 😂🤣😎
Fa kosa dia ny hoe lesona teny anglisy. Izany hoe ireo teny tsara ho fantatra, fanazavana bebe kokoa, momba ny atao hoe "feminism" -- na hoe tolona ho an'ny fitovianjo hoan'ny vehivavy:
Amporisihako manokana, ho an'izay liana sy hoe te hiezaka. Za manokana, betsabetsaka ihany ny zavatra zay vao azoko tao. Singanina manokana, ny
Manspreading: When men take up excess space by sitting with their legs far apart. This is such an actual thing that in 2014 New York's Metropolitan Transportation Authority launched a campaign to get guys to close their legs to make more room on the subway.
Tonga dia mea culpa be satria za anisan'ny bandy mibahana be ireny foana refa maka toerana. Mety mampihemotra ny vehivavy na hoe tsy mampa comfortable anazy izany.
Asa ra misy dikan-teny mitovy azo atao @ ireo @ teny malagasy.
Rahoviana moa ilay hoe iray volan'ny teny malagasy iny?
Zay ee,
joincidence be androany... fa nivaly ny finoanom-poana hoe hitako io article io androany. Sady te hanoratra sy hoe hanamarika ny 29 Febroary ah no koa hoe... @ 08 Marsa ny andron'ny vehivavy, izany hoe atomboka androany ny fankalazana 😌
Valiny: girls!!
😉
simply, simpla, simplo
c'est la 🥰🤬😂😎
Mba hiverenana @ revy fahiny izany, hoe manao lahatsoratra mihoatra ny 4/taona 😂 dia raiketiko indray ny fika fataoko taloha hoe 15min de blaogy challenge ee... zany hoe manoratsoratra eo dia ajanona refa tonga ny 15min. Izay vita @ zay no publier-na, na vita edit na tsia.
zao ary,
nareo ve tsy mahita hoe otran'ny efa akaiky ny farany? 😠genre, apokalipsy... na koa fantatra @ anarana hoe Maihol, for president! 😌😂
jereo ilay hain-tany gidraka be tany Aostralia teo iny... dia zao indray zara ra mangatsiaka sy hoe tsy ampy lanezy ny hemisfera avaratra. Eny e, ra zay fotsiny dia aloha dia mety hoe resaka climat sy hoe global warming fotsiny ngambany... fa zao ndray lasa misy an'itony corona virus itony
<ao anaty farango parantezy kely>
tsy mihomehy loza ah an na hoe manaraorao-paty fa... tsy mba azo asaina manao an'ireny maska tava ireny nga ny zone franche any amintsika. Otran'ny vetivety kely izy dia majifa an. Mety bizina mirongatra rapida be. Aza variana na midonaka fa teto doly ny ol no naka!!
</akatona ny farango parantezy>
tsy hay izay hiafarany fa otran'ny gidraka be ity corona virus ity...
dia zao koa maty koa i kobe bryant
dia tsy hay tsony ee... akaiky ny farany? c'est la fin!! c'est la mort!! c'est la vie!!
mbola tsisy zavatra milay nitranga izay t@ ity taona ity.
sa ve hoe le mbola misy olona tsy nahavita presentation de voeux no mahatonga an'zao?
satria misy firarian-tsoa mbola eny an-dalana, tsisy reseau 😂😂
otran'ny tena ratsy fiandohana ity rara ity.
asa ra misy ho azo antenaina
soa ihany fa nahazo minisitra vaovao isika
dia efa mirary soa avy hatrany ho an'ny firenena hoe
A/tra o, ataovy mahazo Miami na cote d'azure zahay @ ity taona ity
merci d'avance!!
bisou
mais ou est donc ornicar?
Somary tezitra be @ olona iray zay ah zany androany... tsy ho ny antony no ho tantaraiko fa ny hoe teo afovoan'izany rehetra izany no nahatsapako hoe ary lasa kalma be ah zany. Satria raha ny tany @ folo taona lasa tany mety misy lapa mianjera mihintsy rehefa mihetsika ny trombako...
Enfin bref, lasa ny saiko hoe mba inona koa ary ny niova. Mba hanoratsoratra kely fa efa ela izay. Eto ampiandrasana ny ora sy segondra hanamperana an'ity folon-taona ka hidirana ny folon-taona manaraka indray dia indro ary ny diam-penina ho tsaroina rahatrizay ary indrindra hoe hanaovam-beloma sy hanalana ny fo.
T@ ity folon-taona lasa 2010-2020 ity angambany ah no tena lasa nihalehibe hoazy tao. Na dia hoe tsy zaza aza taloha dia noteren'ny fiainana hiova fijery, hiova famindra ary hanaiky ny tsy maintsy. Tao ny nafinaritra: miovaova asa, miovaova toerana, mifandray indray @ namana sy havana ela tsy noresahana sy/na vaovao; joie de vivre. Tao ihany koa ny nampalahelo: nandaozana toerana, nandaozana namana ary ny namoizana havana tiana... sompatry ny tany ary lalan'ny fiainana. Tao ny hoe ekena mba tsy hifandirana toy raharaham-pirenena eto an-tanindrazana, Trump sy ankavanana extreme ary ny krizy sy korotana manerana ny tany, ny tontolo iainana. Lasa be resaka ara-bava indray ah noho ny hoe nanoratra. Nihena be mintsy na ny fanaovana blaogy aza kanefa lasa afaka miblabla a l'improviste sy mbola misy miheno ihany. Asa fivoarana koa angamba izany.
T@ ity taona 2019 manokana dia tena nampalahelo tokoa ny fandaozan'ny mpihira Fafah & Dadah ary Michou... tsy hitovy intsony ny mahaleo... Dia izay sisa ee. Tena nahafinaritra tokoa anefa niara nanohana ny Barea. Manao hi-five sy dabbing miaraka anireto zana-drahalahy sy anabavy majinika. Ary indrindraindrindra ny ady fanairana ho an'ny tontolo iainantsika sy ny zon'ny refugies. Mafinaritra ee.
Dia asa efa antitra tsy mahatadidy firy intsony nga fa tiako faranana @ zavatra mahaliana sy nampiomehy ity taona ity. Mba nisisika ery izany ande hijery le roi lion, hoe t@ zay mbola kely izany no tena malaza. Hoe hamerina ny fahiny sa inona... kay tena nitovy be t@ version dessin anime le izy, sady ankizy kely doly ny iray salle 😂😂
voili voilu
asa re raha mba ho ahoana indray ny folon-taona manaraka.
Lanja miakatra ka tsy maintsy hoe ho gidraka kokoa fa izany hoe irariana, antenaina ary hivavahana mba ho feno fitsikiana sy fifaliana ihany koa.
Mirary soa,
C'est la vie!
-simp
C'est sosotra + fo
Vao hitako vao teo tao @ fb ity... tsy haiko alou na fake news na ahoana fa mivoaka ao @ lexpress alou dia aleo resahana fa tena URGENT sy VENDRANA ary MAHAMENATRA be loatra:
Tsy mahazo mivoaka ny firenena hono ny vehivavy ra tsy miaraka @ lehilahy
Aiza ho aiza ao @ IEM ary no misy an'io... sa @ fomba ahoana @ io ny fahatongavana @ emergence? sao dia mba fefy diso toerana ary indrindraindrindra hoe c'est du n'importe koi!!
Dia tsy mba naheno debat na otran'zany na hoe fampilazana na fandaniana lalana mikasika an'ity fa toa otran'tena tampoka sy surprise be kanefa tena ouiiiiiiiiiin be... ka hoy ah hoe aleo velesina ny tako-bilany fa otran'ny kozy voretra be ity fika ity an!!
Sahia mijoro, miady @ tsy rariny ary indrindraindrindra ny mitaky ny fitovian-jo ho an'ny vehivavy!!
Mila fanazavana io ary mila ahitsy sy fohanana avy hatrany!!
Mampandroso ny firenena ve io? inona ny zavatra mihatsara vokatr'io?
Atsipy ny vilia, vaky!
Global Climate Strike
Zay ndray ah vao tafaverina eto... betsaka ny tsy voalaza sy mbola ho lazaina fa zao alou
Fitokonana, fihaonambe, fiaraha-manotrona ny @ tontolo iainana
Amin'ity planetantsika ity
@ Zoma Sep 20, 2019
Eto amin'ny tanana:
https://act.350.org/event/globalclimatestrike/17483?
Manerana ny tany:
https://globalclimatestrike.net/
Aza variana na midonaka fa teto daholo ny olona no naka!!
simpli simplo
Ewa basy!!
Tara be an'ity ah omaly tontolo ny andro
Ny feonao no itiavako labiera
Sa ny labiera no tiakoa dia mody feonao!
Androany vao nifoha ndray, nahita an'ity
tonga dia ouii je le veux be
misy Andriamanitra!!
Tahirizina sao mahasoa... indrindra @ andro somary manjombona sy mahakamo, ilana tsikitsiky ireny
voili voilu
c'est le destin arithmetique
naika tsy hiresaka 12 + 13 = 25 ihany kanefa otran'ny tsy mety fa tout chemin mene au rhum ony... ka aleo mba asiana rediredy kely... ny hevitro manokana @ hoe naninona no tsy tsisy natokona i hery rajao... ny antony tsotra dia hoe: tsy nahay nampiasa chiffre lery ee.
jereo hoe iza no isa tsy mety @ ireto: 3 volana lasa enim-bolana no lasa 3 taona no lasa 2030...
=> tsy tokony nasiana enim-bolana... sady tokony natao 30 taona
jereo koa fa ny chiffre d'affaire nande be mintsy tao tsimbazaza nandritra ny mandat... dia lasa nalaza ratsy hoe mpanao malette... kanefa ra zao zao nampiasa chiffre lasa hoe propangady tena izy!
eo koa mazava ho azy ny hoe 12 = 25 - 13. Efa voasoratra fa ze sisan'i kotofetsy sy mahaka no ho anjara sisa ho ani petit chaperon bleu
ny tena fahotana nahafaty dia tsy nanao hevitrakoho @ isa 12... kanefa bedabe ny azo resahana: ohatra hoe 12 ny isan'ny apostoly, @ 12 ora ny mitatao vovonana, 12 ny isan'ny volana... sao dia tokony jerena ny ao @ baiboly boky faha 12 toko 12 andiny faha 12 ka hatr@ faha 12
dia izay ee... izy ve no tena badraodra comptable tsy nahay nanisa sa mikoty moa ny filazana an'zany (avy @ verbe compter)?? sa hoe izy no tena fetsy nifainty nanao fifidianana kanefa te hiala tsisy maratra fotsiny? satria efa feno ny kibo... asa, mety hoe fahendrena koa izany, indrindra hoe izy mba nahalala nanaraka an'le didy hoe tsy maintsy mametra-pialana alohan'ny fifidianana ny filoha am-perinasa... mety ho betsaka ny hiarahaba azy ra hoe tsy be zizo sy manao be konetaka eo izy... asa izany
zany eo ihany fa ny tena tiako hahatongavana dia ny hoe inona ary ny tsy nahalany an'i Maihol e??
satria ve 34 = 12 + 22 = 13 + 21 = 25 + 9 = 13 + 12 + 9 = 11 + 23 = 24 + 10 = 26 + 8 = 7 + 7 = 28 + 6 = ...
tsy zakan'ny saiko ee... mba omeo toko sy andininy momba ny 34 hoe?
@ 2023 indray ee, ra sitrapon'ny faminaniana
c'est la mort!!
c'est... resultament electionable
Lasa saina kely ah nahita an'le emission speciale an'i kala Oni tao @ TV plus t@ Alahady iny... euh non, tsy hoe manohana an'i rajao ah akory fa, tsy matiko lolo mintsy ee,,interessant be hoazy le izy ra vao le olona iny no miresaka,, hotness monster hahaha
Enfin bref, anisan'ny noresahany tao zany ny hoe, ny any andafy vetivety ny vokam-pifidianana dia tonga, fa aty amintsika mbola tsy tonga @ zany ny teknolojia... tao koa ny hoe sondage manahirana noho ny niveau an'ny education an'ny vahoaka sy ny hoe samihafa be mintsiny ny Andrenivohitra sy Ambanivohitra...
Dia lasa saina ah hoe fa nahoana tokoa ary... tsisy zavatra azo atao ve? misy ka,, ohatra:
Hevitra akoho 1: crowd-source ny vokam-pifidianana
manao app kely anakiray ahafahan'ny olona mi-report ny valim-pifidianana any @ biraom-pokotaniny... zavatra azo atao izao ny hoe manao USSD menu otran'ny mamahana kaonty ireny no ampisaina. Ohatra hoe taper *666# ra te hitatitra valim-pifidianana ^^ Sady tsy mila internet no mety @ finday foza. Refa misy reseau dia efa poinsa no sady hoe efa hain'ny olona ny manao azy... iny zany no anaovana collection an'le isam-bato, dia asiana site anakiray manambatra sy hoe mampiseho vokam-pifidianana... azo compliquer-na sy hoe hatsaraina araka ny fotoana sy budget ananana.
Ny tena tanjona eto dia hoe ze olona rehetra manatrika an'le fanisam-bato dia afaka mi-report doly ary azo anaovana statistika kely hoe ze mbe mpitatitra indrindra no rasina na hoe moyene... ahitana ny tendance izany na hoe ny valiny tena izy mintsy ary ee... Mety hisy hi-abuser sy hoe automatiser na otr'zany fa misy fika techniquement sy hoe stratejia azo ketrehina hi-minimiser-na anzany
Hevitra akoho 2: app officielle ho fanangonana vokam-pifidianana
Tohiny sy hoe complement mifameno @ le hevitra 1 teo ihany ity. Tena manao app anaki-1 ahafahan'ny deleguE an'ny kandidat sy ny hoe biraom-pifidianana mi-login, mampiditra vokam-pifidianan sy/na mampiditra sary an'ny Proces verbaux... ity indray serieux kokoa ny securitE sy hoe mila internet... mety hoe azo asiana android na otrn'zany ihany, afaka miandry tafiditra zone connectE vao mande wazy ny donnEes... mazava hoazy miaraka @ site fanaovana admin sy hoe hi-aggreger-na anazy rehetra ary ahafahana mahita ny valiny isam-pokotany azony vahoaka rehetra jerena sy hoe mora tadiavina.
Azo compliquer-na miankina @ budget sy hoe utilitEs an'le izy... Bref, ny tanjona dia hoe hanamorana sy hanafainganana ny fahatongavan'ny valim-pifidianana. Manome dispositif, alternatif ahafahana manamarina azy... ary indrindra indrindra afaka mijery ny valiny any @ toerana misy azy ny vahoaka rehetra...
Mazava hoazy misy vary misy latsaka ilay resaka fa mba hoe balise sy hoe step makany @ fisian'ny mangarahara ary koa mampiseho marina ny tena "safidim-bahoaka"... ary azo auditer-na :)
Tsy mba misy dolara kely ahafahana manao an'zany ve ao @ CENI ao? sa tokony mangataka?
Atsipy ny vilia, vaky!
65 generaux!!
Tsara fa tohizo!!
Tsy hihomehy loza ah fa ra zao no mitohy @ 2030 ngambany ny generaux no betsaka noho ny isan'ny mpampianatra eny @ oniversitE... sa izay ve le plan emergence?
C'est la vie!!
C'est le white people problem
Tsy hihomehy loza a
C'est la mort!!
C'est toi, l'homme
Asa raha efa hitanareo ity. Ted talk nataon'i Justin Baldoni, momba ny hoe kely endaka ny lelah be endaka... d'actualitE, tsara tadidiniana, isan'andro isan'andro fa tsy @ 08 Martsa ihany. Tiako, zaraiko,
Azo jerena ao @ ted, ra mila dikan-teny soutitre eny ambany. Misy resaka maromaro mifandraika @ ilay lohahevitra koa.
voilu
C'est toi, l'homme
Asa raha efa hitanareo ity. Ted talk nataon'i Justin Baldoni, momba ny hoe kely endaka ny lelah be endaka... d'actualitE, tsara tadidiana, isan'andro isan'andro fa tsy @ 08 Martsa ihany. Tiako, zaraiko,
Azo jerena ao @ ted, ra mila dikan-teny soutitre eny ambany. Misy resaka maromaro mifandraika @ ilay lohahevitra koa.
voilu
teboka telo
tsiahy, an'i Dolores O'Riordan...
lanitra mangamanga... dia izay sisa ee
mandria ampiadanana!
Vacances de peste!
Io zany ny teny tena nampa-waaaaaaaaaaaaaaaa be anah t@ ity taona ity ee. vacances de peste. 2017. voila.
Eto ampamisavisana ny zavatra be dia be tiako ho nosoratana t@ ity taona ity fa tsy vita ah. Tsisy ekskizy io fa ekena tsotra fotsiny hoe c'est la vie!!
Dia nahatsiaro hoe ity ny nampitsiky anah indrindra
Aleo zaraina fa tena cover hafa kely mihintsy an'ity hira misy devoly ity hahaha
Miray soa antsika rehetra. Mety ho hafanafana ny raharaha politika eto @ firenena fa irariana mba ho soa sy fahasoavana ho an'ny rehetra izay mitranga. Indrindra mba tsy hisy epidemia na aretina hafa indray.
Samy ho tratry ny goavy ee!
la mort, c'est la vie!!
Aleo ho atao @ manaraka ny tena resaka reincarnation na fanahy na fiainana mandrakizay... fa ny masaka androany aloha dia...
Raha jerena akaiky dia misy karazany roa ny lalana. Eo ny lalana nataon'ny olombelona. Eo koa ny lalana tsy nataon'iza na iza fa tonga dia misy ho azy. Mety misy ihany koa ny lalana nataon'i A/tra fa tsy idirana fa aleo ho zokin'ny ny any aoriana ihany koa. Tsy haiko na misy dikany @ teny malagasy hafa manasaraka ireo lalana roa ireo. Tsy lalana arabe akory ny tiako tenenina fa ilay lalana dikany hafa. Hoe "loi" izany @ teny baiko.
Ny lalana nataon'ny olombelona izany dia mirindra hoe lalampanorenana > lalana iraisam-pirenena > lalana organika > lalana tsotra... lava be ra hanao resaka droit eto fa ny tiako hahatongana dia ny hoe nataon'olombelona/vahoaka/solotenan'ny vahoaka io. Natao ho arahin'ny rehetra, kanefa kosa tsy voatery hanaraka an'io ny tsirairay ary manana zo handika lalana. Mazava hoazy fa misy vokany araka ny voalaza ao @ ilay lalana ihany ny tsy fanarahana azy.
Ny lalana tonga dia marina kosa dia ireo azo vagoina tokana hoe lalan'ny siansa. Ohatra hoe ny lalan'ny fihetsehana nazavain'i Newton ohatra. Raha atsipy ny vilia, dia mianjera, mety ho vaky. Tsy manan-tsafidy eto ny olona fa na manaiky na tsy manaiky tsy maintsy ho izay no hitranga. Tsy resaka fizika/simia ihany akory io fa rehefa "siansa" dia mety. Ohatra hoe refa tapahana @ antsy ny tenda dia ho faty izy izay. Tsy misy debat hoe tan-dalana ee, etat de droit ee, fa tsy maintsy izay no izy.
Inty ary misy teoria, izay somary mikasika ireo lalana roa voalaza teo... ary azo lazaina hoe "statitiska-ment" efa marina. Zany hoe siansa latsaka fahefany.
Ny fanovana lalam-panorenana, eto Madagasikara, dia mitondra @ fialana eo @ fitondrana.
Tadidiko t@ za mbola kely nahita an'i bebeanay nitomany. Nisy fahoriana io a. Dia gaga be ah hoe hay ve mitomany koa ny olon-dehibe... nanotany hoe fa manin... dia ozy hoe izany no fiainana, tsy maintsy ho faty daholo. Mety ilay lalana faharoa angamba io... ny fahafatesana koa anefa mitondra fiovana sy hoe manome lalana (arabe) hoan'ny tanora solofo dimbin'ny ala, hanatsara sy hoe hanasoa... izany ihany koa ny fiainana.
Ny tiako hahatongavana dia ny hoe... ho anireo izay mikasa ny hanova lalam-panorenana: fantatrareo ve io lalana, tsy maintsy ekena voalaza io? Bedabe ny antony hanovana na tsy hanovana ny lalam-panorenana tsy hiditra lalina ah fa na eny na tsia ny valiny, dia matoky aho fa handroso ihany ny tanindrazana satria na ianareo no tanora solofo dimbin'ny ala na ianareo ho soloin'ny tanora solofo dimbin'ny ala.
Atsipy ny tady, ampon'ny mahalala.
c'est le ironman!!
T@ zay mbola teny ambony dablio fahiny izany dia nisy an'izay razoky mpiara mianatra izay... dia isa-maraina izy mandefa an'ireny "citations" hoe tenin'olona malaza manome motivations... nafinatra le izy t@ voalohany fa refa nataon'lery isan'andro, dia farany tsy maintsy no-filter-ko atao spam @ izay... enfin, bref, anisan'ny teny nahafinaritra ahy nozarainy ny hoe: "the meaning of life is to give life meaning"
Fantatrao ve ny ironman?
Tony Stark mazava wazy fa misy ihany koa ny triathlon ironman: lomano eo @ 4km eo, dia mandeha beka eo @ 180km ary hazakazaka 42km, atao "tsy ankijanona"...
Vao mamaky an'le izy fotsiny ah dia efa kivy... kanefa misy namana iray nikotrana, nandray anjara ary mbola velona aina soa amantsara.
Dia lasa saina hoe vitan'lery ve dia tsy ho vitako? tadidiko ihany koa anefa fa isaky izay manao sport goavana ah hoe mianika tendrombohitra avo be, na mandeha miazakazaka marathon dia eny ampovoany ah mieritreritra foana hoe fa inona ary ny antony anaovako an'ity hadalana miaro tsinjaka ity?
Mazava hoazy fa ilay tsy ampy entrainement sy hoe manana an'ilay "esprit sportif" no tena olana. Kanefa refa tena dinihako dia misy rariny ihany ny hakamoako. Ilay namana nanao an'io ironman io zao dia izany no tena hoe tsy manao afa-tsy ny mikotrana izy... isaky izay hoe misy plan milailay na hoe mamosavy na otran'zany dia miala tsiny foana hoe tena tsy mety @ le rezima le izy na hoe mbola tsy maintsy hifoha vao maraina hikotrana radem...
Norma ihany alou le izy hoe mba tanjona tiana tratrarina dia tsy maintsy miafy ary hoe manao izay tokony atao. Ny mahasoa vao ny mafinaritra, sa ahoana ozy? mety hoe miaraka koa izy roa ireo sady mahasoa no mahafinaritra... saingy hoe: izany tokoa ve? satria anisan'ny tena mahakrizy anah manao sport ngoza dia ilay tsisy fotoana hoe tena mafinaritra izany fa mianika tendrombohitra enao dia mijanona adiny 1 fara faha betsany dia tsy maintsy midina satria iny koa mbola adiny 5 farafahakeliny... izany hoe mamono tena enao mba hahatratrarana ny tanjona, dia refa tratra ny tanjona dia aveo ahoana? le namana io izao dia hanao repos 1 volana hono dia avy eo raikitra indray... marina fa mahasoa ny hoe fanatanjahatena indrindra hoe ra tsy mpiasa tany sy mpanetsa toy ny tantsaha... kanefa hatraiza no refin'ny tena mahasoa? satria ho faty ihany anie ee :)
Dia tsy haiko hoe izany ve ilay fiainana? miafy mandrakizay mba ho an'ny fifaliana 1 minitra?? asa re fa dia mampa-filozofy be... hoe tsy mitovy @ film le izy, satria ils vecurent heureux pendant une semaine en totalitE, et galerent le restant de leur vies hahaha... meaning of life ony, eny wa eee
c'est le izay sisa ee
noheveriko foana hoe mba metimety ihany ny fiainako na dia tsy tonga lafatra aza... mandra-pivahinianako tao antranon'olona, misy vavahady roa mielanelana 1km ngambany ary mandeha helicoptera mande miasa.
noheveriko foana hoe sompatry ny tany ary niangaran'ny vitana i Afrika fa dia ady, famonoana olona, fametavetana ary fahantrana miompapana... mandra-pahitako firenena hafa izay manan-karena kanefa manana olona tena atao hoe faran'izay mahantra marobe an'arivony izay tsy manana na hoe rovitra "sachet" hatao trano boritra akory aza.
noheveriko foana hoe mba tsara kosa ary soa ihany fa misy an'itony hoe vondrona iraisam-pirenena mba mitsinjo ny mahantra ary miasa @ tany an'ady, andalam-pandrosoana hanampy tosika ny tsisy mpahita sy mpahare... mandra-pahitako fa lany @ biraokrasia fotsiny ny vola, ary tena manao fiainana eo ambon'ny fahantrana/fahorian'ny hafa mihitsy izy ireo.
noheveriko foana hoe dia tena mampalaeolo tokoa ireto "refugees" fa dia tena hoe tsisy toerana hoazy @ izao tontolo izao... mandra-pahitan'ny voamasoko fa lasa bizina ilay izy: manidina @ easy-jet mety hoe telonjato kanefa mande botra mety roaarivo na teloarivo any... voahitsakitsaka tanteraka ireo tena hoe fadiran'ovana sy hoe tena "refugees".
teo afovoan'izay rehetra izany anefa... toerana mampiseho ny hoe ady an-trano @ ilany, tsy azo aleha. Kartie an'ny "UN" sy ny karazany eo ilany, izay ahitana divay tsy hitanao na @ tany mandroso aza, tsy azo aleha koa hoan'olontsotra... ary @ ilany ireo "refugees": ao ny very zanaka, ao ny tsisy ray aman-dreny, ao ny tsy manana na in na in tsony, ao ny voavetavetan'ny miaramila rebelles sy/na governemanta... @ilany ireo mponina eo an-toerana tsy mirara ary mankahala farak'izay zokiny ny mpivahiny rehetra tsy fotsy hoditra... eo afovoan'izany rehetra izany misy sipakely mihira an'ilay hiran'i beyonce hoe "listen", tsara feo sy mampitolagaga be ary nahatonga niheritreritra hoe na dia mangidy faraky ny inona ary, masoandro kely fotsiny dia efa mampitondra tsiky.
tsiky dia ampy! sa ahoana moa? izay sisa ee
C'est la mort!
ouainnnnn be androany... Noho ny antony vary misy loaka izany dia antsasaky ny train ihany no tonga/hande... kanefa bedabe ny mpanao vakansy. Dia evidawazy fa feno be otran'ny any Inde ireny le izy...
Indro ary misy sipabeu somary sahirana mitady toerana. Manao azafady @ ireto tanora mpanao backpacking izay nivalapatra eraky ny tanana... dia mba hoe galant zany ah dia hoe tsy manin ra eto @ sezako enao mipetraka. Miezaka manazava sady mijery ny kibony... valiny: za nga bevohoka?
efa mpahazo anah taloha ity fahadisoana ara-teknika: hoe bevoka ary ve sa matavy fotsiny... neveriko fa efa sitrana kinanjo...
c'est la vie!!
c'est le aaaaaaaaaaaaaaaaaaaaaa
Somary tara kely ah vao nakobo an'ity tao @ fb... na zany aza tiako ankalazaina satria... ity angamba ny zavatra faran'izay mafinaritra indrindra @ ity taona 2017 ity:
Tonga dia lasa patriotika tampoka be tato ah!!
... ny lesoka kely ozy ilay vary misy loaka dia... otran'ny tsisy mpivarotra akanjo "maillot" hoan'ny mpankafy/mpanaraka an? Sa tsy maintsy makeny behoririka vao hahita? sao dia mba bizina tokony atao ity kle?
Ary indrindra ihany koa hoe tokony hankalazaina sy hoe hamporisihana ny bandy kely mba hanohy an'izao dingana mafinaritra be izao... Tsara fa tohizo!!
Mirary ny soa sy tsara ary ho tonga @ ambony indrindra!
voilu voili voilo
C'est le tantara de la vie!!
Omaly hariva ah zany nijery komedia nataon'i Louis CK tao @ netflix... dia ozy hoe nandresy be ny kristianina ozy satria, io taona 2017 io zao dia ny kristianina no namorona azy ary na aiza na aiza dia mampiasa azy doly eny fa na ny sinoa izay manana ny taonany manokana aza.
Mampiomehy ny nanaovany azy fa ny tena nahalasa ny saiko hoe hatraiza marina moa ny tena vokatry ny rediredin'ny olona iray na roa/maroamaro ka lasa miparitaka @ tantara sy hoe zary ho iainan'ny taranaka fara-mandimby? ho avadiko @ teny hafa kokoa ilay fanotaniana hoe: hatraiza no azo lazaina fa fomban-drazana na hoe fomba Malagasy, na hoe hafatry ny razambe lolohavina antampon'ny loha? Marihina koa fa tsy gasy ihany io fa otran'ny maromaro ihany firenena somary manaja @ "tsinapa" ny RAD sy hoe "razambe"... Nahoana ary no ny tsy ny hafatry ny tany alohan'i Jesoa no arahana? na ny hafatry ny vazimba? sa ny hafatr'i lucy mintsy ee ^^
Eny e, azo lazaina hoe miova tsikelikely ny fisainana sy hoe fomba. Ohatra hoe talohan'i Ralambo izao tsika tsy nihinana omby (sa lambo?)... izay nanana an'io hevitra talohan'izay zao dia mety hoe "ouiiiiinnn" be. Any ambanivohitra-anay ary azo lazaina hoe mpandova sy mpiray ra aminay dia misy olona (ary tanana) fadi-kisoa, kanefa tsy adva zany an... ny tiako hahatongava dia ny hoe rehefa inona no azo lazaina fa mety ny fanovana ny tantara, sy tsy firaharahiana ny voalazan'ny razana... ary tsy ho raisina hoe: fanaovana tsinotsinona ny any am-pasana?
Sa ve dia hoe hotsorina izy ity ka omena an'ilay hoe: izay tiako ihany io ee!!
Dia aoka ny tantara no hitsara... raha tanti ka tsara fiafara :-)
kanefa ra nanaraka ny fomban-drazana izao... otran'zao mbola nisalaka kle ^^
C'est le "za hirara"!!!
c'est la galaxy!!
Tany @ folo taona maherihery tany... nahita telescope optika ngozangoza. Tao anatin'ny 1 segondra monja rehefa nijery dia nipotsaka tanteraka ny voamasoko. Izany hoe ni-zoom ngozabe ny lanitra le izy ary dia tena feno planeta sy kitana bedabe... teo no nahatsapako fa tsisy dikany ary tena faran'izay rikiki indrindra ny fisiantsika, otran'ny hoe sila-pasika anaki-1 eny plazy ny tany...
Efa ela ihany ah no tia an'ireny resaka planeta ireny. Ary tena nanatrika cours-na kosmolojia kely mintsy aza moa. Ao anaty baiboly koa misy resaka hoe Abrahama nokozin' i A/tra hoe ataoko otran'ny isan'ny kitana eny an-danitra na koa isan'ny fasika eny amoron-dranomasina ny taranakao. Efa nisy izany ilay analojia fa tena teo ampijerena an'ilay izy aho vao tena tonga saina tanteraka hoe tsy misy zavatra ho ataoko na ho ataon'olona iray ka hampiova an'izao tontolo izao.
Taty aoriana ihany koa anefa izay hevitra izay ihany no nahalasa eritreritra hoe ra samy tsy misy dikany ihany ary, nahoana no mitaraina ny tany? raha fantatry ny be sy ny maro ve fa bitika faran'izay bitika izy dia tsy hieritreritra ny hifanohina sy hifankatia? sa izay ihany koa ny hoe: mihangatra lahy ny tany?
C'est la universe!!
c'est la vie!!
Misy resto italianina iray izay zany. Somary @ toerana chelou chelou otran'ny hoe eny anosy eo akaikin'ny tsena zany. Tena tsy ampoizina hoe ho azo iafiana. Vitsivitsy olona ary Menu standard, tsy lafo. Fa ny tena nahagaga dia mandefa mozika somary retro retro tsy haiko na eros ramazotti zany na inona fa dia tena ambiance hafakely mampa a l'aise be.
Tao aorinan'ny mozika fanin-droany niova nefa mbola meme genre ihany, dia vaky vava ah hoe: kay le, ary reveko be kosa ilay feeling an'le mozika ato an. Dia misy couple antitra be etsy amin'ny ilany. Namaly ilay ranga hoe: ie tena mahafinaritra mihintsy. Efa 20 mahery zay no mankato noho ilay rythme mozika. Ra t@ taona sivy folo tany ianao no mankato dia mbola otr'izao ihany ny hira mande ato.
Fahendren'ny antitra ve ny tsy fitadiavana zava-baovao? izay no mahasalama azy?
Izy
aoka ny tantara no hitsara...
fa amiko dia mendrika kokoa noho i mandela izy... eny fa dia azo lazaina aza fa tsy tena mitovy ny tolona...
Ho tsaroina, ho tadidiana ary ho tsiahiana... amin'ny anaran'ny tolona.
¡viva!
Mitady sipa virjiny
Ity izany ilay tonga @ fitenenana hoe antitra vao be ny tanora ee. Efa fotoana vitsivitsy lavalava izay no nanapa-kevitra aho hoe efa ho matotra amizay fa aoka izay ny rediredy fahizay, fahizay fahizay, tena fahizay... kanefa dia tsy manaiky ny oniversa fa tsy maintsy mandefa virja aty amiko foana
Nisy sipa iray vaovao indray any @ bekitana nanao lavanty ny "fahadiovany". Tsy hiditra @ maha mety sy tsy maha-mety an'zany intsony ah fa efa betsaka ny rediredy voalaza .
Ny tena tiako horesahina dia ny hoe: kay le, ary tena lasa bizna normale ity kozy ity kle. Azo eritreretina ve hoe afaka 5-10 taona any dia ho lasa tolo-barotra na hoe service izy ity? raha atao jery todika tokoa moa ny hoe talohan'ny 19xx mbola tsy nisy ny hoe porn. Ary na dia nisy aza ny hoe kox, azo lazaina hoe "tabou" izany hoe mivarotra entana izany indrindra moa fa ny hoe manao film... kanefa @ izao, dia lasa norma be le izy. Dia mba ahoana ary ny hoe cadre legal azo hi-operer @ ity fivarotana virja ity? sao dia mba izany no tokony hilofosan'ny fanjakana
Tsy mahita statistika offisialy ah fa otran'ny betsabetsaka virja ihany any ambanivohitra any an. Sao dia ho lasa otran'ny fitrandrahana volamena sy harena akibon'ny tany eto koa ity ra tsisy regulations?
Iaraha mahalala ny filana tondro-dalana stratejika hoan'ny tanjona ekonomika eto amitsika. Mila havaozina ny lisitra hoan'ny varotra iraisam-pirenena. Raha resaka hoe avantazy comparatif no jerena dia ireto no tokony ho anisan'ny hilofosan'ny famokarana/fitrandrahana eto amitsika:
- ody gasy
- mpamosavy
- virja
azo afangaro atao combo ireo, ohatra hoe: ody fitia + virja (sady miakatra ny vidiny no ho afa-po ny mpanjifa)...
@filoha hery rajao: atsipy ny vilia vaky!
Tsiky du jour
Vao nifoha ah dia nahita an'ity
asa ra mba misy afaka manao ny organigrame mifandraika... @ rafitra misy eto @ tanana
in re ny azo iantsoana ny filoham-pirenena -sarcatiskament- eee ?
sali sali
Syphilis
Laza adina I:
Fakafakao ny tian'ny Ntaolo ho ambara amin'ity ohabolana ity:
"ela notoratorahana ka nahavoa mason'angatra"
waaaaaaaaaaaaaaaa
je suis manana as de pika ve elah?
Tadidiko tsara t@ le resaka je suis, tu es, vous etes t@ herin-taona tonga dia raikitra ny gidragidra an'ny gasin'andafy vs gasy daorizina... hoe nahoana no refa any @ eoropa no misy ny terrorisma dia avy "misolelaka" manao je suis je suis fa ra ny mahantra na ny mainty na ny arabo dia euh... dia hoe ah non, toe-tsaina mirefarefa izany fa faty olona ve dia ho avakavahana. Tsy soatoavina malagasy ny hoe tsy fanajana razana... dia nofaranana @ hoe ra eo malagasy ve moa no misy otran'zany dia hoe tsy iray fo sy saina ary fanahy hiara ory ary handa ankitsirano ny hetsika mahery toy izany... bla bla bli bli blo blo
Zao @ zay t@ vaintisisy, @ fahendrena malagasy izay tsy hita izay maharatsy azy, @ hoe fanaovana kopier-koller an'i frantsa dia lasa koa nanapoaka ry adala be isany... ny tena mahagaga anefa dia tsy nahita je suis mahamasina ah na iray aza. na hoe novana ny sary profil na otran'zany... dia gaga fotsiny enao hoe ee izao zany le tonga @ le fitenena hoe andrianiko ny an'ny hafa ary ny ahy tsy rarahiako ^^
Ny tena nahagaga anah manko dia otran'ny tsisy afatsy mananasy ny resaka eto @ tambazotra sosialy tato ho ato... dia hoy ah hoe resaka mandany jiro zany an. Eny e, tsara alou refa hoe mahasahy manakiana an'rafanja sy hoe mihamitombo ny hoe fiparitahan'ny vaovao sy hevitra... fa zany hoe tsara kokoa ra resaka mamokatra jiro no atao. diso ve ah mieritreritra hoe jiro no tena olana eto?
Atsipy ny vilia, vaky
ps: vitako tao anatin'ny 15 minitra ity lahatsoratra ity. Isaorana anie i A/tra!!
Manana ass
Tara train, mais bon... qd faut y aller, faux y aller
- Zavatra azo atao @ mananasy. Ny ankamaroan'ny sakafo mexikana tsara otran'ny misy mananasy.
- Sary misy mananasy. Interessant!
- Kay le, otran'ny mafinaritra ra manao an'ity i voahangy an. hevitra cadeau d'annif zany ra-prezi an... kiiii sold out ony ee too bad!
- Zany hoe ra tsy vadin'ny filoham-pirenena enao, dia aza kivy fa misy eny behoririka. Aza variana na midonaka fa teto doly ny ol no naka!
- Misy ao @ urban dictionary: euh ity sa ity hu hu hu
- Minana mananasy be loatra ve ny dragona, no mahatonga ny atodiny otran'ny mananasy? khaleeessi!!
- Tsy misy afa tsy mananasy ony any Costa-rica... poinsa mety hanao vacansa any ny filoha.
- Zavatra azo resahana kanefa tsy mananasy:
* Fahandriam-pahalemana, ohatra hoe bomba, dahalo... efa tratra ve i remenabila?
* Code de la communication... ahoana ihany le article 20
* sns sns ohatra hoe fahantrana: toe-karena, sosialy... in avy re ny zavatra tsy mande @ ze lahoriny eto @ firenena ee. Otran'ny tsy mahita ah an, sarotra be izy zany!!
Efa kely sisa dia hitovy @ bekitana isika satria ny akanjon'i Michelle koa misy mpanaraka be. Koa eto ampiandrasana ny hoe firenena mandroso akanjo-ho-anaovany-manaraka ary ny mpanoratra, dia mirary soa anao mpamaky.
Tsy misy fisaorana.
To be played at my funeral
Refa nieritreritra ah dia somary gaga kely hoe otran'ny tsy dia "mahazatra" loatra ny hoe manomana ny hoe "rehefa maty aho", ny eo @ malagasy. Eny e, mazava be fa ny anisan'ny tena tanjon'ny hoe fihavanana dia ny hoe fitandrovana ny taranaka sy ny hoe miray hina... mba hamela lova, fahasoavana, soatoavina hoan'ny taranaka faramandimby... zany hoe tena mifantoka be @ hoe ho faty izany ny Ntaolo.
Iaraha mahalala ihany koa ny hoe miara-ory sy hoe fomba malagasy manerana ny nosy ny hoe mamangy @ fahoriana. Satria hoe fanajana ny maty ary indrindraindrindra hoe malahelo sy hoe lasa "olon-tiana"... Ny mahagaga anah anefa dia ny hoe nahoana ary no tsy dia mba misy kozy betsaka ny momba ny hoe "hafatra farany". Tsy hoe testamenta an fa otran'ny hoe hafatra kely hoe... rehefa maty aho dia
1. vomanga sy saonjo (sy ronono?) ny kaly
2. Alefaso ity hira ity:
Eto ampanoratana an'ity ah dia mieritreritra hoe ra misy mahita moa ity? ho ho ho
Laingako izany fa satria... isika tsy ho faty... ary tsy maintsy hipoaka ny tako-bilany!!
Now, let's dress prentetiously, while having a pretentious dinner and pretentiously listening to this.
ca va ca va, imhotep!
Madagasikara, je t'aime
Otran'ny te hiblaogy be izany ah vao nifoha androany. Dia tapakevitra tsy tapakevitra elabe teo... dia farany hoe aleo hanatevin-daharana, hirediredy momba an'le gaboraraka eto @ tanana. Indrindra moa ny resaka fifamoivoizana...
Tsy hita izay ho tenenina satria efa bedabe ny voalaza na eto @ aterinaeto na @ aino aman-jery na fihetsiketsehana... @ hoe kitotoa, anjambany ary bordel tanteraka eto amitsika... fa dia asiko an'ilay hira, tonokalo an'i Mahaleo izay mahalaza tsara ny hetahetan'ny kely, madinika, tsy manan-tsiny... rafahafahana
Izahay ety,
Mijinja ny mafaitra,
Mitaty ny tsy laitra,
Tsy afaka manoatra.
Hiandrasana, hitondra takaitra,
Izay ngamba ialahy vao taitra,
Sao dia mba tara loatra.
Dia mifarana @ hoe
Fa izaho sy ialahy,
Hamafy hafaliana,
Hanome fanampiana,
Ny mitovy amiko.
Raha eo ialahy,
Hiteny ireo nangiana
Fahafahana no iriana,
Ho an’ny Taniko.
Amen
A+
Tonga dia aleo potserina ny voamasony. Satria betsabetsaka ihany izay lahatsoratra sy hevitra nivoaka momba ny fanendrena ny praiminisitra vaovao t@ alahady. Tsy hary nahavaky azy rehetra aho aloha fa ny voamariko fotsiny sy hoe somary nisongadina tamiko dia hoe otran'ny tsy aninon-tsianinona ilay praminisitra vaovao. Na tsy voateny direkta aza dia "sous entendu" na hoe fosa-tian-ko-re.
Dia hoy aho hoe: aoka etsy!!
Tsy hoe manohana na mankasitraka na mahatoky an'ingahy PM vaovao ah akory fa araka ny fomba mahazatra izay hita fa tena ratsy dia hoe: "benefice du doute"... fa izay indrindra no tena tiako hahatongavana hoe: fa nahoana no tsisy manakihana mintsy ra-prezy?? satria amiko manokana i lery mihintsy no tena badraodra @ ity kozy ity.
Tsy hiditra @ antsipiriany a, b, c ah fa jereo tsara an. Nasiana sinema be ny fialan'ny PM teo aloha. Naninona no tsy noroasina fotsiny iny dia vita? pira, raha tena hoe "leader" na hoe RAD na hoe mpitondra tokony afaka niresaka taminy manginga hoe tena mila mamela an'le seza elah ry zandry fa tsy poinsa ity a. Naleon'lery nanao ady mangatsiaka t@ hoe "media interposE". Hadisoana be zany hoe passive agressiva ve nefany enao no sefo tsssssssssssssss. Badraodra wa, badraodra.
Ny tena hitako olana manko dia izao. I Ra-prezy izany sady tsy hoe "natural leader" izany hoe tonga dia afaka mitarika/mitondra, fa le karazana bandy hoe mila tohanana sy atosika kely... kanefa i lery lasa filoha, par hasard/par accident. Izany hoe tsy voaomana dia lasa hoe manandrakandrana sy mihanahana @ rehetraretra.
Firy volana lery vao nahatendry ny PM voalohany? dia avy eo afaka 1 taona nosoloina. Eny e, nanana olana ara-teknika lery tao @ parlemanta fa na zany aza, tsy afaka natao "en parallele" nga ny hoe fandaminana an'i Tsimbazaza sy ny hoe fitadiavana ny tena mety ho PM tsara? dia avy eo ndray refa nisolo an'ingah jereneraly, tsy dia niandry firy andro aloha fa niwawawa be ery hoe resultat rapide ee, 3 volana ee... afaka 1taona aty aoriana soloina ndray. Inona ndray ny antony? rhetorika io an... satria ny an'lery izany dia mazava: soloina isan-taona ny PM. Izany no vahaolana.
Mino marimarina ah fa t@ fanendrena an'ingah Mahafaly dia ny kritera nojerena dia hoe: azo esorina afaka 1 taona sa tsia? Tsy te hiteny betsaka ah fa ra ohatra ka manao jery todika vetivety raprezy: efa misasaka ny mandat inona ny zavatra vita teto? mba misy hoe fototra azo jerena ve na hoe fivoriana/congressy @ tsisy dikany azo hialana pas ve? evidawazy satria lany andro manolo olona sy manao passation de pouvoir (bonus: tsolotra sy aferafera)... izao le hoe fifandimbiasan-toerana hehe,, Dia ilay PM foana no mahazo loza kanefa ny le filoha no tena zero manatody. Ra izao no mitohy, kozy na i TGV aza tsy tsara lavitra no i toi?
Dia izay ee, haiko fa mbola manakery ny article 20... fa otran'ny tsy hay ny tsy hiteny an'le fomba fiteny t@ zay mbola kely hoe: shanana izany ra ol. Ny adala ny hafa moa no ihomehezana fa ny an'ny tena rakofan-damba ka dia homeko an'ity torohevitra ity hoe: dieny izao dia efa omany ny fika hanendrena ny @ heri-taona!!
izay ee, @ heri-taona ndray... mifanoratra eto ihany!!
A+